Ted, fanodinan-teny marevaka
 
Fanolorana 1
Endrika
Ted ho an'ny Linux: zom-pandikana sy fiambohoan-jo
Ahoana ny fametrahana an'i Ted
Lahatsoratra sy faritoetran-dahatsoratra
Sary
Maniditra sary sy maritsoratra mitendro
Mandika/Mametaka
Mitady sy Manolo Lahatsoratra
Manamarin-tsipelina
Tsoratadidy
Andininy sy ny fanipika
Takelajoro
Tsinjara
Lohapejy, tongopejy, mari-daharam-pejy
Habe sy Sisim-pejy
Manonta avy amin'i Ted, manoratra PDF Acrobat
Mitahiry rakitra ho HTML sy lahatsoratra tsotra
Mandefa taratasy avy amin'i Ted
Ahoana ny fampiasa an'i Ted ho mpihazon-tahaketsika na fampiharana mpanampin'i Netscape
Mampiendrika an'i Ted
Manampy endritsoratra amina fametrahana an'i Ted
Mampakatra endritsoratra amina mpanonta ParaSora
Mampiasa mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm
Anarana filatron'akora
Mampivangongo an'i Ted avy amin-doharano
Mamboatra rakibolan-tsipelina ho an'i Ted
Fankasitrahana
Mpanoratra
 
 
Fanolorana
 
Mpanodin-teny mihodina amina tandrafitra Windows X ao amin'ny Unix/Linux i Ted. Notefena ho mpanodin-teny mifaobe tsotra i Ted, ka mitana ny andraikitry Wordpad ao amin'ny Windows-MS. Eo amin'ny fanefany asa dia matanjaka noho ny Wordpad i Ted. Mikatsaka ny marimaritra an-keban'ny fahatsoran'ny Wordpad sy ny fahavitan'ny MS-Word asa izy. Mazava ny fahabangan'ny fahafaha-mitendry taratasy sy kisila-tsoratra ary tatitra tsotra amina milina Unix/Linux. Diso matetika loatra ny tranga mahavoatery ny tena hitodika mankamin'ny milina MS-Windows mba hanoratra taratasy na rakitra. I Ted dia natao handrarian-drakitra misy lahatsoratra marevaka ao amin'ny Unix/Linux amin'ny fomba “i.ta.n.a” (izay-tazana-no-azo).
 
Nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny famolavolana an'i Ted ny fifampifanarahana azy sy ny fampiharana be mpahalala MS-Windows. Ny rakitra tsirairay vokatra avy amin'ny Ted dia tsy maintsy eken'ny Word ho tahiry .rtf [RevaTsoratraFirafitra] manara-dalana, ary amin'izany dia tsy misy latsaka ny fandrafetana sy ny ampahalalaina. Sarotra tanterahina kokoa ny fifampifanarahana mifamadika amin'io.
 
Mahazaka ny endri-pandrafetana maro amin'ny fampiharana Microsoft i Ted. Hadinoiny ny torolalam-pandrafetana sy ny fahalalam-piovana hafa.*). Rehefa manadino ny fandrafetana tsy zakany i Ted dia manandrana mametraka ny lahatsora-drakitra manontolo eo ambony fandisana na mandefa azy mankany amin'ny mpanonta. Afaka ampiasaina hamakian-kafa-malady voarafitra alefa miainga amina milina Windows mankamin'ny Unix i Ted, na hanontan-drakitra mirafitra RTF, na hamadian-drakitra mirafitra RTF hirafitra Acrobat PDF. Hazavaina etsy ambany ny fampiendrehana an'i Ted ho toy ny mpijery ao amin'i Netscape, sy ny fomba famadihan- drakitra mirafitra RTF ho PDF amin'ny alalan'i Ted sy GhostScript.
 
Manantena aho fa ho hitanao fa hilainao i Ted. Mba ampahalalao azafady ny vaniny ho hitanao mba hahafahako mamboatra azy.
 
*) Tsy voatahiry koa ny fahalalana nohadinoina sasany rehefa ovainao ary avy eo tahirizinao amin'i Ted ny rakitra iray.
 
 
Endrika
 
Fandrarian-dahatsoratra marevaka Itana. Azonao ampiasaina daholo ny endritsoratra rehetra izay sady manana tahiry .afm no afaka ampiasaina ho endritsoratra X11. I Ted dia mivoaka miaraka amin-tahiry .afm ho an'ny endritsoratra Adobe izay afaka ampiasaina ao anaty rafi-Tsoratava sy anatin'ny mpanonta parasora rehetra: Times, Helvetica, Courier, ary Symbol. Ny endritsoratra sasany dia azo anampiana miaraka amin'ny fanatontosana X11 mahazatra. Zakan'i Ted ny toetra mampiavaka ny endritsoratra toy ny matevina sy mandry; torak'izany koa ny mitsipika sy milady ary miantona.
 
Ny Microsoft RTF no ampiasain'i Ted ho fandrafetan-tahiry reniny. Afa-mamaky tahiry vokarin'i Ted ny Microsoft Word sy Wordpad. Raha ny mahazatra dia afa-mamaky tahiry mirafitra .rft avy amin'ny Microsoft Word sy Wordpad i Ted. Koa satria tsy mahazaka ny endriky ny Word rehetra i Ted dia mety ho very ny fahalalam-pandrafetana sasany.
 
Sariteboka an-dahatsoratra sy tahirin-tsary fitana
Fanontana ParaSoran-drakitra sy fandravahana. Ny tahiry ParaSora voatahiry dia miaty marika pdf izay avadika ho rohibe rehefa avadika ho PDF Acrobat.
Manamarin-tsipelina amina teny latina roa ambin'ny folo.
Mandefa rakitra mivantana avy amin'i Ted. Ny hafatra mirafitra HTML dia hafatra maro fizarana misy sary rehetra.
Manety/Mandika/Mametaka, amin'ny fampiharana hafa koa.
Mitady/Manolo.
Fanipika: Fikinifinifin'ny andininy, Fikinifinifin'ny andalana voalohany, Kihebaheba. Fanipika Mandika/Mametaka.
Firam-pejy.
Lohapejy sy tongopejy. Mari-daharam-pejy anaty lohapejy sy tongopejy.
Takelajoro: Manisika Takelajoro, Tsivalana, Tsanganana. Manova sakan-tsanganan-takelajoro amin'ny fanipika.
Zaka tanteraka ny Sariohatra sy maritsoratra mitendro.
Rohibe sy tsoratadidy.
Mitahiry rakitra amin'ny rafitra HTML.
Angamba ny fandravahana tsara indrindra ny azonao atao amin'i Ted dia ny fandraketana izay natao tamin'i Ted.
 
Ity ny fandraketana ho an'i Ted 2.10.
 
Ted ho an'i Linux: zom-pandikana sy fiambohoan-jo
 
Rindranasa bojo i Ted. Te-handray anjara amin'ny fampielezana an'i Linux ho lapihazo azo iriranana ho ana mpankafy haitaon-tsolosaina aho amin'ny fanaovako an'i Ted ho azo alaina amin-kalalahana. Satria rindranasa bojo i Ted dia manasa tanana amin'izay fiantraikan'ny fampiasana azy aho. Miankina aminao ny fanapahan-kevitra ny amin'ny mampety na tsy mampety an'i Ted amin'ny tanjonao. Zaraina tsy misy fiantohana na dia kely aza i Ted araky ny fifanarahana ao amin'ny GNU Public Licence.
 
Ny fametrahana an'i Ted
 
Arakaraky ny lapihazo sy ny karazam-pizarana ny fametrahana an'i Ted. Azo ampidinina avy ao amin'ny tanana ftp://ftp.nluug.nl/pub/editors/Ted ny fizarana mimari-droa ho an'i Linux Intel ix86. Atolotry ny unc metalab:[http,ftp]://metalab.unc.edu/pub/packages/editors/Ted ny fitaratra amerikana iray. Miendrika fandraketan-kaitra mifatratra sy fonosa-mpandrindra ny Red Hat (RPM) ny fizarana. Mety ho azo alaina avy amina kapila mifatratra ny fizarana mimari-droa hafa. Jereo ny tanana an-tranokalan'i Ted http://www.nllgg.nl/Ted raha mila fanazavana amboniny na fahalalana nivoaka tato ho ato.
 
Raha hametraka an'i Ted na ny iray amin'ireo fonosan-toerana ao amin'ny fonosana RPM dia mitsofoha amin'ny maha-faka ary omeo ny baiko rpm -i <package-details>.rpm . Raha hanondro-drafitra miainga amina endritsehon'i Ted taloha dia omeo ny baiko rpm -U <package-details>.rpm.. Ny azo tanterahina ao amin'ny fonosana mimari-droa dia midoko fitohy, noho izany dia tsy misy fifampiankinana eo amin'ny tranomboky iombonana. Raha tia tranomboky iombonana sy ny piritsony ianao dia ianao ihany no mila manangona an'i Ted.
 
Mety tsara kokoa ny fametrahana avy amina fandraketan-kaitra mifatratra raha afangaro ny kisora-pametrahana installTed.sh sy ny tahiry Linux Software Map (LSM) mifanitsy aminy. Ampidino ao amina lahatahirin-drango-pohy toy ny /tmp ny tahiry; mitsofoha amin'ny maha-faka; ampandehano avy ao amin'io lahatahiry io ny sh installTed.sh. Raha tsy afa-mitsofoka amin'ny maha-faka ianao dia afaka mampandeha ny baiko sh installTed.sh PRIVATE. Avy eo dia milaza aminao izay ho aiditra ao amin'ny tahiry .Xdefaults na .Xresources ny kisora-pametrahana fametrahana mba hahavanona ny fametrahana.
 
Afaka sokafanao tanana ny fonosan-pandraketan-kaitra mifatratra raha toa tsy tia fametrahana mora ianao. Izany dia vinanian'ilay rindranasa fa ataonao ao amin'ny /usr/local. Ao amin'ny /usr/local/afm no mivalona ny tahiry mimetatry ny endritsoratra Adobe, ary ao amin'ny /usr/local/ind ny rakibolam-panamarinan-tsipelina. Napetraka ho /usr/local/info/TedDocument.rtf io rakitra an-tserasera io. Napetraka ao amin'ny /usr/local/info ny tahirim-bovom-pampiharana, ohatra, Ted.ad.sample. Afaka manova ireo toerana ireo ianao amin'ny fampitohizana ny vovo X11 toy ny .Xdefaults na .Xresources, ohatra, raha toa ka manapa-kevitra ny hametraka an'i Ted any an-toeran-kafa. Jereo ny tsinjara momba ny fampiendrehana eo ambany. Aza hadinoina ny miantso ny umask 0 alohan'ny hanokafanao ny fonosana.
 
Azo atao koa ny manangona an'i Ted avy amina loharano. Jereo ny torolalam-panangonana any amin'ny faran'ity rakitra ity.
 
Topy maso an'ireo fonosana samihafa:
 
Fonosana
Fonosana RPM: tahiry
Fandraketan-kaitra, tahiry LSM
Fonosana mimari-droa tsotra ho an'i Intel Linux. ( misy tsipelin' anglisy amerikana)
Ted:
Mametraka kisora-draki-pandraketan-kaitra sy kisoratra LSM Install ho an'ny jarirakitra Tar sy tahiry LSM
 
Tsipelina sy hafatra alemana
Ted_nl_NL: ')
Tsipelin'anglisy biritanika
Ted_en_GB: ')
Tsipelina sy hafatra alemana
Ted_de_DE: ')
Tsipelin'esipaniola
Ted_es_ES: ')
Tsipelim-portigizy
Ted_pt_PT: ')
Tsipelina sy hafatra frantsay
Ted_fr_FR: ')
Tsipelina italiana
Ted_it_IT: ')
Tsipelina sy hafatra tseky
Ted_cs_CZ: ')
Tsipelina sy hafatra danoa
Ted_da_DK: ')
Tsipleina soedisy
Ted_sv_SE: ')
Tsipelina norveziana
Ted_nb_NO: ')
Tsipelina polonezy
Ted_pl_PL: ')
Tsipelina sy hafatra slovakiana
Ted_sk_SK: ')
Hafatra hongoriana
Ted_hu_HU: ')
Loharano #)
Ted:
Oha-drakibolan-tsipelina @)
 
rtf mankamin'ny pdf
rtf mankamin'ny PostScript
 
 
')
Novana anarana ny fonosan-tsipelina nanomboka tamin'ny Ted 2.6 mba hifanaraka amin'ny fifanaraham-panomezana anarana. Raha mitaraina mombana fifanoherana ny rpm dia esory azafady ny fonosana taloha manohitra izay mampiasa ny baiko rpm -e old_package.
#)
Azafady vakio ny torolalam-panangonana any amin'ny faran'ity rakitra ity alohan'ny hanombohanao ny fanangonana an'i Ted. Fohy sady tsotra ireo torolalana ireo.
@)
Azafady mitodiha mankamin'ny fanazavana any amin'ny faran'ity rakitra ity.
")
Ho an'ireo teny izay mampiasa ny kivorin-endritsoratra Latina 2 dia ny endritsoratra Latina 2 no tsara indrindra. Fehezana ilain'ny endritsoratra Latina 2 ny fonosana ult1mo. Tsy manome ZoroMandry ho an'ny endritsoratra matevina mandry ny endritseho ankehitriny. Mila manisika zoro miiba an-tanana mba hahalavorary ny fiasan'ny Ted.
 
Ny fehezam-ponosana Ted ho an'ny rafi-piasana NetBSD dia azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.netbsd.org/pub/NetBSD/packages/pkgsrc/textproc/Ted/README.html
Hita ao amin'ny pejy http://www.abul.org/education/Ted.html ny dikaten'i Ted amin'ny teny frantsay.
 
 
Lahatsoratra sy faritoetran-dahatsoratra
 
Mitendre fotsiny raha hampiditra lahatsoratra. Misisika eo amin'ny toeram-panisifana izay miendrika hitsy mijoro mipipika ao anaty lahatsoratra izay tendrenao. Raha misy fari-dahatsoratra navohitra dia misolo ny faritra manontolo izay tendrenao. Azo fafana amin'ny fanendry hebaivoho ny maritsoratra tokana. Ny endritsoratra eo alohan'ny toeram-panisifana no fafan'io fanendry io. Ny fanendry Mamafa (Delete) dia mamafa ny endritsoratra eo aorian'ny toeram-panisifana. Ny fanendry Hebaivoho (Backspace) sy Mamafa (Delete) dia mamafa fari-dahatsoratra navohitra, raha misy izany. Raha mamafa ny endritsoratra eo alohan'ny toeram-panisifana ny fanendry hebaivoho dia tian'ny fiendrehan'ny X11 ao aminao ho fanendry Mamafa (Delete) izy. Mitodiha mankao amin'ny tsinjara momba ny X11 etsy ambany raha mila antsipirihany.
 
Azo afindra amin'ny fanendry tondro ny toeram-panisifana, na amin'ny fipihana ny bokotra havian'ny totozy eo amin'izay toerana irina hisy azy. Ny fanendry `Antrano' (Home) dia mamindra ny toeram-panisifana mankany amin'ny lohan'ny andalana. Ny fanendry `Farany' (End) dia mamindra azy mankany amin'ny faran'ny andalana. Azo taritina ny fari-dahatsoratra navohitra rehefa tazonina mifoletaka ambany ny bokotra havian'ny totozy. Azo atao koa ny mifantina fari-dahatsoratra amin'ny fanendry izay mamindra ny toeram-panisifana: Tsindrio ilay fanendry sady ajanony ambany ny fanendry manisaka (Shift). Asehon'i Ted anao amin'ny alalan'ny tokontany manga tanora nosoritany ho temotry ny faritra mivohitra izay navohitrao.
 
Raha hanova ny endritsoratra ao amin'ny faritra mivohitra dia ampihetseho ny fitaovan-Endritsoratra amin'ny fipihana ny safidy `Fitaovan-Endritsoratra' eo amin'ny sakafo `Endritsoratra'. Asehony anao ny endritsoratra ao amin'io faritra mivohitra io. Fidio eo amin'ny Fitaovan'Endritsoratra izay endritsoratra tianao hampiasaina amin'ny faritra mivohitra, avy eo tsindrio ny bokotra `Mampijadona'. Rehefa misafidy endritsoratra iray ao amin'ny Fitaovan'Endritsoratra ianao dia mitranga eo amin'ny endritsoratra nosafidiana ny anarany. Miseho eo amin'ny iray amin'ny endritsoratra nosafidiana ny fanoritsoritana ny fisafidianan'endritsoratra maro karazana. Azonao averina ampifanarahana amin'ireo endritsoratra ao amin'ny faritra mivohitra ny Fitaovan'Endritsoratra amin'ny alalan'ny bokotra `Tampody'.
 
Manamora ny fampiasana faritoetran-dahatsoratra mitovy ao amina tsinjara samy hafa ao amin'ny lahatsoratrao ny safidin-tsakafo “Mandika Endritsoratra” sy `Mametaka Endritsoratra. Avohiro ny toerana misy endritsoratra tianao hampiasaina any an-toeran-kafa dia piho ny safidy `Mandika Endritsoratra. Avy eo dia avohiro ny fari-dahatsoratra iray ary piho ny safidy `Mametaka Endritsoratra.' Lasa manana ny faritoetr'ilay lahatsoratra nadikanao avy tamin'ny toerana voalohany ilay faritra mivohitra.
 
Feran' ny fehezan-javatra ao amin'ny tahiry .afm ao amin'ny /usr/local/afm ny fehezan'endritsoratra azon'i Ted ampiasaina. Izay endritsoratra manan-tahiry mimetatra ao ihany no azo ampiasaina. Mampiasa fampitrandrahana mifototra amin'ny anaram-pianakavian-endritsoratra sy ny faritoetran-endritsoratra i Ted mba hahitana endritsoratra X11 manana endritsoratra afaran-tsoratra (parasora). Mitodiha mankany amin'ny tsinjara momba ny fanampiana endritsoratra misy zotran-kirakira fampiraisana ny endritsoratra X11 sy endritsoratra Parasora amin'ny fomba mangalahala. Izay endritsoratra ahafahana mahita endritsoratra X11 ihany no azo ampiasaina avy amin'i Ted. Marihina fa ho an'ireo endritsoratra ao anaty vondron-tsoratra hafa noho ny vondron-tsoratra Latina 1 dia mila manana famari-tomboka marina ny tahiry AFM sy ny endritsoratra X11 ary ny endritsoratry ny mpanonta. Ny endritsoratra ao amin'ny famari-tomboka mifaobe Adobe ihany no averin'i Ted marihin-tomboka. Ny endritsoratra hafa rehetra dia ampiasaina tsy misy fanovana.
 
Azonao ampiasaina koa ny safidy eo amin'ny sakafo `Endritsoratra' raha hanova faritoetran-dahatsoratra tsotra toy ny `Matevina,' `Mandry,' sy `Mitsipika.' Ny Lady sy Miantona dia manambara ny toeran'ny 2 ao amin'ny H2O sy x2, raha asesy.
 
Mampiseho ny Fitaovan'Endritsoratra ireto fandravahana manaraka ireto.
 
 
 
 
Sary
 
Afaka mampidi-tsary ao anaty lahatsoratra ianao. Mba hanaovanao an'io dia fanteno ny safidy `Mampiditra Sary' eo amin'ny sakafo `Manisika.' Avelan'ny tahiry mpampifidy misafidy tahirin-tsary ho aiditra anaty lahatsoratra ianao. Zaka ny tahirin-drafi-tsary fampiasa matetika toy ny tiff, bmp, xwd, sy jpeg. Azo atao koa ny mameta-tsary avy amina fampiharana X11 hafa. Indrisy anefa fa voafetra ihany ny isan'ny fampiharana X11 izay tena mahazaka ny Mandika/Mametaka sary.
 
 
Raha hanova haben-tsary dia piho indroa amin'ny alalan'ny bokotra havian'ny totozy ilay sary. Mipoitra ny efajoro valo fanovana habe. Manova ny haben'ny sary ny fisarihana ny efajoro avy eo ambany na avy eo amin'ny havanana. Ity manaraka ity dia sary eo am-panovana habe.
 
Mampiditra sariohatra sy endritsoratra mitendro
 
Afaka mampiasa ny fitaovana fitsongo sariohatra ianao raha hampiditra sariohatra voatokana ao anaty lahatsoratra. Fidio ny `Mampiditra Sariohatra' ao amin'ny sakafo `Sariohatra' ao amin'ny sakafo `Manisika' na ny sakafo `Fitaovana' mba hampihetsika azy. Asehon'ny fitsongo sariohatra ny endritsoratra rehetra azo ampiasaina amin'ny endritsoratra miasa ankehitrio. Azonao atao na ny misafidy sariohatra dia manindry ny bokotra `Manisika,' na koa manapika indroa ny sariohatra ilaina. Azo safidiana amin'ny fitsongo endritsoratra eo ambony sariohatra ny sariohatra avy amina fianakavian-endritsoratra hafa.
 
 
 
Azo tendrena mivantana ny endritsoratra mitendro mahazatra. Mahazaka fanendry mamboatra ny fomba famahanana ao an-toerana izay navangongo ao amin'ny tranombokin'ny X11 raha toa ka voamari-tomboka ara-dalana ny mpandrindra X11 ao aminao. Ahafahanao manisika endritsoratra mitendro ny fanendry <mamboatra> amin'ny fitendrena an'ireto: <Mamboatra> <Taratasy> <Tendro>, na <Mamboatra> <Tendro> <Taratasy>. Rehefa endritsoratra `ascii' mitovy endrika amin'ny tendro ilaina ny <Tendro> dia manome á ny E.G. <Mamboatra> a '. Ohatra hafa: manome ½ ny <Mamboatra> 1 2.
 
Mazana dia petahana anarana `Scroll Lock' ny fanendry `Mamboatra' amin'ny hela-panendrin'ny solosain-tsamirery (SoSa) mba hampahatsikaiky anao. Mitodiha ao amin'ny adininy momba ny fampiendrehana X11 izay misy fanamarihana fanampiny.
 
Mandika/Mametaka
 
Mahazaka ny Mandika/Mametaka i Ted avy amin'ny tenany ihany sy avy amin'ny fampiharana X11 hafa. Afaka mitadidy sila-dahatsoratra na sary ianao amin'ny alalan'ny safidin-tsakafo `Mandika.' Ny safidin-tsakafo `Mandika' dia ahafahanao mametaka ny lahatsoratra notadidina any an-toeran-kafa ao amin'ny rakitra iasana ihany, na any amina rakitra hafa.
 
 
Eo anivon'ny rakitra Ted ihany no zaka ny Mandika/Mametaka amin'ny lahatsoratra voarafitra *).
Azo ampifanakalozina amin'ny ankamaron'ny fampiharana Ted ny kofehin-dahatsoratra iva rafitra toy ny kihebaheba sy andalanavaovao.
 
 
Zaka eo anivon'ny hoaka Ted, sy eo anivon'ny Ted sy Scan ny Mandika/Mametaka sary, ary voatazona ny toetran-drefim-piendrehana. Azo ampiasaina miaraka amina fampiharan-tsary mirona amin'ny X11 ka mahazaka fampifanakalozana voafantina PIXMAP koa ny Mandika/Mametaka. Very ny toetram-pari-drefy amin'ireny fampiharana ireny, toa ny xmag sy xpaint.
 
Ao amin'ny mari-tomboka dia misy tobim-piasana voatokana mba hiaraha-miasa amin'ny zotran-kirakira Mandika/Mametaka izay tanterahin'ny xv samirery miaraka amin'ny toetra miavaky ny hoaka X11 ao amin'ny hoakan'ny faka. Ireo X11 voafantina ka manaraka ny fifanarahana X11 Inter-Client Communications Manual (ICCCM) (Boky Fifanakalozan'ny Samy Mpanjifa) dia mahazo vahana foana alohan'ireo avy amin'ny xv. Mampiavaka ny fomba fanatanterahan'ny xv ny hela-tsilaka ao aminy io, izay tsy helingelina ao amin'ny Ted.
 
Afaka mifehy ny Mandika/Mametaka-n'ny zava-drehetra afa-tsy ny lahatsoratra tsotra ao amin'ny rindranasa ny Mpamboatra Netscape sy ny Gimp. Io no mahatonga ny tsy fahafaha-manao Mandika/Mametaka amin'ny rindranasa izay manao ny Mandika/Mametaka amin'ny fomba fanao amin'ny X11 toa an'i Ted.
 
*)
Ara-kevitra dia mety hahazaka azy ny fampiharana hafa: safidy=PRIMARY, tigetra=RTF; rakitra rft feno ny atin'ny hoakan-toetra mampiavaka izay ampifanakalozina.
#)
Ara-kevitra dia mety hahazaka azy ny fampiharana hafa: safidy=PRIMARY, tigetra=PNG; sary png feno ny atin'ny hoakan-toetra mampiavaka izay ampifanakalozina.
 
Mitady sy Manolo Lahatsoratra
 
Afaka mitady sila-dahatsoratra sasany amin'ny `Fitaovana Mizaha' ianao. Afaka mampihetsika ny `Fitaovana Mizaha' amin'ny fisafidiana ny `Mizaha' eo amin'ny sakafo `Fitaovana,' na amin'ny fitendrena Geja-F (Control-F). Manana fahitra roa ny fitaovana Mizaha. Azonao aiditra eo amin'ny fahi-dahatsoratra eo amin'ny fahitra voalohany ny lasitra zahanao. Azonao aiditra ao amin'ny fahitra faharoa ny asolo toerana. Mizaha ny poitry ny lasitrao manaraka ao anaty rakitra ny bokotra `Mizaha.' Mikaroka manao dia mihanoitra ao amin'ny rakitra ny bokotra `Anoloana.' Rehefa hita ny lasitra dia azonao aiditra ny asolo toerana ary tsindrina ny bokotra `Manolo' mba hanoloana ny lasitra amin'ny asolo toerana. Lala-manitsin'ny `Manolo' sy `Manaraka' avy eo ny bokotra `Manolo,Manaraka.'
 
 
Ny andraman'ny Ted zahana ao anaty lahatsoratrao dia tsy sila-dahatsoratra fotsiny fa fiteny manara-pitsipika arakaraky ny lanjan'ny fahi-pamarika eo ambanin'ny lasitra. Fitaovam-pizahan-tsila-dahatsoratra samy hafa indray mifaoka ny fiteny manara-pitsipika. Raha ny tokony ho izy dia tsy ho voasintona hampiasa fiteny manara-pitsipika mihitsy ianao. Afaka mampihetsika ny fahi-pamarika ny mpampiasa avo fahaizana raha hijery tandrifin-teny manara-pitsipika.
 
 
Nindramin'i Henry Spencer avy tao amin'ny tranomboky regex ny fiteny manara-pitsipika trandrifin'ny haikajy ao amin'ny Ted. Azafady jereo any amin'ny fankatelemana ny antsipirihany. Ity dia tsongaiko avy amin'ny matoan-drakitsoratr'i Henry Spencer: (Azafady, tokony ho fantatry ny mpampiasa mihelina fa izy dia tsy mila mampiasa na mahazo ny atao hoe fiteny manara-pitsipika.)
 
 
DRAFI-PITENY MANARA-PITSIPIKA
Ny fiteny manara-pitsipika dia sampana aotra na mihoatra, ary sarahan'ny `|'. Mifanandrify amin'izay rehetra mifanandrify amin'ny sampana iray amin'ireo sampana ireo izy.
Ny sampana dia silaka aotra na mihoatra, miray rohy. Izy dia mifanandrify amina tandrify voalohany, arahina tandrifin'ny faharoa, sy ny sisa.
Ny silaka dia tsivaky mety ho arahin'ny `*', `+', or `?'. Ny tsivaky arahin'ny `*' dia mifanandrify amina fisesim-banin'ny tandrifin'ny 0 na mihoatra ao amin'ny tsivaky. Ny tsivaky arahin'ny `+' dia mifanandrify amina fisesin'ny tandrifin'ny 1 na mihoatra ao amin'ny tsivaky. Ny tsivaky arahin'ny `?' dia mifanandrify amina tandrifin'ny tsivaky, na tandrifin'ny tohivakana foana.
Ny tsivaky dia fiteny manara-pitsipika anaty fononteny (mifanandrify amina tandrifin'ilay fiteny manara-pitsipika), kiheba (jereo eo ambany), `.' (mifanandrify amina endritsoratra iray), `^' (mifanandrify amin'ny tohivakana foana eo amin'ny fiantombohan'ny fahan'ny tohivakana), `$' (mifanandrify amin'ny tohivakana foana eo amin'ny fiafaran'ny fahan'ny tohivakana), `\' arahin-endritsoratra tokana (mifanandrify amin'io endritsoratra io), na endritsoratra tokana tsy misy heviny mampiavaka hafa (mifanandrify amin'io endritsoratra io)
 
Ny kiheba dia fisesin-endritsoratra fonosina ao anatin'ny `[]'. Raha ny tokony ho izy dia mifanandrify amina endritsoratra tokana rehetra avy amin'ilay fisesy izy. Raha manomboka amin'ny `^ ny fisesy dia mifanandrify amina tarehintsotra tokana rehetra tsy avy ao amin'ny ambin'ny fisesy izy. Raha toa sarahina `-' ny endritsoratra roa ao anaty fisesy dia fanafohezana ny lisitra fenon'ny endritsoratra ASCII eo anivon'izy samy izy (oh: ny `[0-9]' dia mifanandrify amina tarehimarikampolony rehetra). Raha ampidirina ao anaty fisesy ny litera faka `]' iray dia ataovy endritsoratra voalohany (manaraka ny `^', ohatra). Raha ampidirina ny litera faka `-' iray dia ataovy tarehintsotra voalohany na farany.
 
 
MANJAVOZAVO
Raha toa ka afaka mifanandrify amina silaka roa samy hafa ao amin'ny tohivakam-pahana ny fiteny manara-pitsipika iray dia ilay silaka iray manomboka voalohany no hifandrifiany. Raha toa ka toerana iray no iantombohan'izy roa nefa manandrify halava samy hafa izy na manandrify halava mitovy amin'ny fomba samy hafa dia mihamisavoritaka kokoa ny raharaha arak'ireto manaraka ireto:
Amin'ny ankapobeny dia raisina ho filaharana havia-miankavanana ny iriky ny fitranga ao amin'ny lisi-tsampana, ny iriky ny fitrangan'ny `*' sy `+' ary `?' dia raisina amin' izay-lava-indrindra-aloha, ny andiam-pononkevitra mifampisoboka dia raisina avy amin'ny ivelany indrindra mankany anatiny, ary ny tangoron-dravona miray rohy dia raisina miainga amin'ny havia indrindra. Ny tandrify ho fidina dia izay mampiasa ny iri-pitranga aloha indrindra ao amin'ny safidy voalohany izay voatery hatao. Raha toa ka misy safidy mihoatra ny iray dia atao mitovy ny fomba fifidianana manaraka (izay iri-pitranga aloha indrindra) mifandraika amin'ny fanapahan-kevitra momba ny safidy voalohany. Dia toa izay hatrany.
Ohatra, ny `(ab|a)b*c' dia mety hanandrify ny `abc' amin'ny fomba iray anatin'ny roa. Ny safidy voalohany dia izay iray amin'ny between `ab' and `a'; noho i `ab' mialoha sady mitarika tandrify faobe mahomby dia fidina izy. Noho i `b' efa voaresaka, ny `b*' dia tsy maintsy manandrify ny iri-pitrangany farany­ilay tohivakana foana­satria tsy maintsy manaja ny safidy teo aloha izy.
Amin'ny tranga miavaka izay tsy misy `|' ary misy `*', `+', na `?' iray fotsiny, ny vokatra misongadina dia ny fifidianana an'izay tandrify lava indrindra. Noho izany, ny `ab*', aseho amin'ny `xabbbby', dia hanandrify ny `abbbb'. Marihina fa raha andramana amin'ny `xabyabbbz' ny `ab*' dia hanandrify ny `ab' ao aoriana am-pototry ny `x' noho ilay fitsipika manomboka-amin'ny-aloha-indrindra. (Amin'ny fampiharana, ny fahapahan-kevitra momba ny toerana hanombohana ny fanandrifiana no safidy atao voalohany, koa tsy maintsy manaja an'io ny safidy misesy manaraka rehetra na dia mitarika mankamina solon-tsafidy tsy tiana kokoa aza izany.)
 
 
Manamarin-Tsipelina
 
Ny fitaovam-tsipelina dia hanamarinana ny tsipelina ao amin'ny rakitra iasanao. Afaka mifantina ny teny tianao hampiasaina amin'ny fanamarinan-tsipelina ianao amin'ny alalan'ny sakafo ao amin'ny fahi-drakibolana. Voatanisa ao amin'ny sakafon-drakibolana daholo ny raki-teny ao amin'ny /usr/local/ind #)
 
Ahafahanao mampanjifa ny rakibolanao ny bokotra `Ianarana' sy `Hadinoina' ao amin'ny fahi-drakibolana. Mitsofoka ao anaty rakibolana ny teny ao anaty fahi-dahatsoratra ambanin'ny tandahatry ny vinaniana amin'ny alalan'ny bokotra `Ianarana,' ary miala avy ao anaty rakibolana amin'ny alalan'ny bokotra `Hadinoina.' Jereo eo ambany ny fanoritsoritana ny rakitra ampiasaina hanjariana ny fanovan-drakibolana ataonao.
 
 
Mizaha ny teny tsy hay manaraka ny bokotra `Jerena Manaraka.' Raha mahita teny iray i Ted dia manandrana mizaha teny mitovitovy ao anaty rakibolana ary maneho azy ireo eo amin'ny tandahatry ny vinavinaina. Ny fipihana teny ao amin'ny tandahatry ny vinavinaina dia mampirina ilay teny ao anaty fahi-dahatsoratra eo ambanin'ny tandahatra. Mampiasa ilay teny voavohitra hitsarana ny teny ao anaty lahatsoratra ny fipihana azy indroa.
Tsy mijery ny teny tsy hay ny bokotra `Tsijerena.' Tsy taterina ho teny tsy hay intsony ilay teny mandra-panajanonana an'i Ted. Mizaha ny teny tsy hay manaraka i Ted. Mizaha ny teny tsy hay manaraka ny bokotra `Mizaha Manaraka.' Mampiasa ny teny ao anaty boaty eo ambany lisitra ny bokotra `Tsaraina' mba hitsarana ny teny ao anaty lahatsoratra. Mijery teny mitovitovy amin'ny teny ao anaty boaty eo ambanin'ny lisitra ny bokotra `Vinavinaina.'
 
 
Dindon'ny fitaovan-tsipelina ity ambany ity.
 
 
Mitoby amina rafitra tampony vakiteny-fotsiny ny rakibola-matoandrafitra. Ho an'ireo tia karokaroka haitao: Ny dindon-tadina famoizan-tena efa farany kely no mahatadidy ny teny rehetra ao anaty rakibolana. Be itovizana amin'ny tries-n'i Donald Knuth ny firafitr'angona. Mitoby ao amin'ny tahiry <Language>.changes ao amin'ny lahatahirina mpampiasa $HOME/.Dictionaries ny fihatahana amin'ny rakibola-matoandrafitra. Isaky ny manindry ny bokotra `Ianarana' na `Hadinoina' ny mpampiasa dia miampy andalana iray ny tahirim-panovana. `F' na `L' (`H' na `I' amin'ny teny gasy: `Hadinoina' na `Ianarana') ny endritsoratra voalohany amin'ny andalana, heba ny endritsoratra faharoa, ilay teny na andianteny ho ampiana na ho esorina ny ambin'ny andalana. Manan-danja be ny filaharan'ny andalana ao anaty tahiry satria tsy averina alamina mihitsy ny tahiry. Ohatra, rehefa misy teny ampiana dia avy eo esorina indray.
 
 
#)
Na any an-toeran-kafa. Jereo ny fanovozana Ted.spellToolSystemDicts.
 
Rohibe sy tsoratadidy
 
Raha hanova fari-dahatsoratra ho rohibe dia avohiro ilay lahatsoratra, fidio ny safidy `Rohibe..' eo amin'ny sakafo `Manisika,' ary ampidiro ny toeran-kitodihan'ny rohy ao amin'ny diniky ny 'Rohibe..'. Azo ampiasaina amin'ny fanovana, fanesorana, ary fanjohian-drohy koa ny dinika
'Rohibe..'.
 
 
Ampidiro ao amin'ny sehatry ny `Rakitra' ny anaran-drakitra na pejy an-tranokala tianao hampirohizina. Rehefa avelanao ho foana ny sehatry ny `Rakitra' dia mankao amina tsoratadidy ao anaty rakitra ihany ny rohy.
 
Ampidiro ao amin'ny sehatry ny `Tsoratadidy' ny anarana tsoratadidy. Mankao amin'ny rakitra amin'ny maha-iraitsimivaky azy ny rohy rehefa avelanao ho foana ny sehatry ny `Tsoratadidy.' Afaka misafidy tsoratadidy ao amin'ilay rakitra miseho eo ianao raha tsy misy rakitra miseho ao amin'ny sehatry ny `Rakitra.' Raha ny ara-dalana dia misy rohibe voavoatra avy amin'ny lahatsoratra izay efa navohitrao ao anaty rakitrao. Misy rohy miavaka telo karazana azo ampiasaina amin'ny rohy vaovao mankao amin'ny rakitra:
Rohy ho Mari-Daha-Pejy. Miseho ho ny mari-daha-pejin'ny fiantombohan'ny tsoratadidy ny rohy. Tena ilaina io indrindra amin' andianteny toy ny `Jereo ny fanazavana ao amin'ny pejy 36. Mandeha ho azy ny fampifanarahan'i Ted ny mari-dahapejy rehefa mihetsika ny tsoratadidy na miova ny fisehon'ny rakitra.
 
Rohy ho Lahatsora-Tsoratadidy: Miseho ho ny lahatsoratry ny tsoratadidy ny rohy. Tena ilaina io indrindra amin' andianteny toy ny “Hazavaina ao amin'ny tsinjara Salan'isa-Maripanan-Taona io.”
 
Rohy ho Lahatsora-Tsoratadidy sy Mari-Dahapejy: Miseho ho lahatsoratry ny tsoratadidy arahina kiheba sy mari-dahapejin'ny fiantombohan'ny tsoratadidy ny rohy. Tena ilaina io indrindra rehefa te-hanorina fizahan-takila ianao. Manova ny toeran-kitodihana rohibe misy na mamboatra rohy vaovao amin'ny karazana tiana ny bokotra `Afantsona Rohy.'
 
Manjohy rohy ny bokotra `Zohina Rohy.' Raha mankao amina toerana anatin'ny rakitra ihany io dia fantenan'i Ted ilay toerana. Raha mankany amina rakitra anaty solosaina ihany io dia andraman'i Ted sokafana ilay rakitra. Raha toa io ka rohy an-tserasera dia miantso an'i Netscape hanaraka ny rohy i Ted.
Manova rohibe hiverina ho lahatsoratra tsotra ny bokotra `Manaisotra Rohy.'
Manaisotra ny sehatry ny rohibe teo amin'ny felasivana ny bokotra `Manafoana' fa tsy manao na inona na inona.
 
Fanomezana anaran-toerana ao amin'ny rakitrao ny tsoratadidy. Raha vao manana anarana ny toerana iray dia afaka mitsambikina mankany ianao amin'ny alalana rohibe na afaka manondro azy an-kolaka ao amin'ny rakitra. Ohatra, azonao atao ny manondro lahatsoratra ao anatina tsoratadidy na ny mari-dahatry ny pejy voatonta itrangan'ny tsoratadidy. Fidio ny safidy 'Tsoratadidy..' eo amin'ny sakafo `Manisika' raha hanisika na hisafo tsoratadidy. Mipoitra ny diniky ny `Tsoratadidy.'
 
 
 
Ampidiro eo amin'ny diniky ny `Tsoratadidy' ny anaran'ny tsoratadidy raha hanampy tsoratadidy.
Manolotra anarana ho an'ny tsoratadidy i Ted arakaraky atin'ny velarana mivohitra ao anaty rakitra. Tsindrio ny bokotra `Afantsona Tsoratadidy' raha hanao tsoratadidy vaovao na hanova ny anaran-tsoratadidy misy. Tsindrio ny bokotra `Manaisotra Tsoratadidy' raha hanaisotra tsoratadidy misy. Tendreo ao amin'ny sehatry ny `Tsoratadidy' ny anaran'ilay tsoratadidy raha hitsambikina mankany, ary tsindrio ny bokotra `Mandeha Mankany Tsoratadidy'. Azo atao ny mifantina anaran-tsoratadidy eo amin'ny lisitry ny tsoratadidy eo ambany fahi-dahatsoratra toa izay mitendry ny anarany.
 
Ampiasao ny fahitry ny `Mandika Tsoratadidy' raha handika tondroraki-tsoratadidy mankao amin'ny hela-tsilaka. Tsindrio ny bokotra `Mandika' raha handika ny tsoratadidy mankao amin'ny hela-tsilaka. Manisika rohibe manondro ny tsoratadidy ny fametahana ny hela-tsilaka amina toeran-kafa ao anaty rakitra na amina rakitra hafa. Misy rafiatra efatra samy hafa ahafahana mandika ny tsoratadidy:
Toa rohibe manana lahatsoratra tsimiova.
Toa fanondro ny tsoratadidy izay aseho toy ny mari-daha-pejiny
Toa fanondro ny tsoratadidy izay mandika ny lahatsora-tsoratadidy ankitrio isaky ny atonta izy.
Toa fanondro nadika amin'ny tsoratadidy izay mandika ny lahatsoratra sy izay maneho ny mari-daha-pejy, sarahana kiheba. Azo ampiasaina hanaovana fizahan-takila tsortra io.
Misy dikany ireo karazan-drohibe telo farany ireo rehefa ao anaty rakitra iray izay tsoratadidy tondroiny izy, ary amin'izay ihany.
 
Mahaliana tokoa ny rohibe sy toratadidy rehefa tahirizina ho HTML ny lahatsoratra, sy noho izy fomba tsotra fanaovana fizahan-takila.
 
Andininy sy ny fanipika
 
Ny andininy dia singan-dahatsoratra miforitra eo anelanelan'ny sisim-pejy. Misy tsipi-bikina mazava soritra manasaraka andininy. Rehefa voatonta ny lahatsoratra dia azo atao ny mampanomboka andininy eo amina pejy vao amin'ny alalan'ny fifantin-tsakafo `Andininy amina Pejy Vao.' Raha ny mahazatra, ny fizarana rakitra ho silaka manomboka amina pejy vao dia tanterahina amin'ny fizarana ny takitra ho tsinjara fa tsy amin'ny fanoritana mazava ny fampanombohana andininy amin'ny pejy vao ho toetra mampiaka an'ilay andininy.
 
Manana fanipika ny andininy tsirairay ao amina lahatsoratra. Ny fanipika dia mamepetra ny fomba fiforitry ny andininy eo anelanelan'ny sisin'ilay pejy, na ny sisin'ny efi-takilajoro izay miaty azy. Miseho eo ambony hoakan-dahatsoratra ny fanipika. Mamaritra ny toetra sasany mampiavaka andininy izy.
 
Ny kinifinify havian'ny andalana voalohan'ny andininy: Ny toerana eo havanan'ny sisim-pejy havia izay hanombohan'ny andalana voalohan'ny andininy. Asehon'ilay bokotra eo ambonin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny andalana voalohany.
Ny kinifinifin'ny ambin'ny andininy: ny toerana eo amin'ny havananan'ny sisim-pejy havia izay anombohan'ny andalan'andininy sasany. Asehon'ilay bokotra eo ambanin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny andininy.
Ny kinifinify havanan'ny andininy: Ny sakan'ny vanditra eo amin'ny havian'ny sisiny havanan'ilay pejy izay tsy azon'ilay andininy ampiasaina mihitsy. Asehon'ilay bokotra eo ambanin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny andininy.
Fifanjohian-janon-kiheba: Miseho toa fononteny mahitsizoro kely ao anatin'ilay vanditra fotsin'ny fanipika ny janon-kiheba. Rehefa tsy misy janon-kiheba, na rehefa tsy misy havanana ny janon-kiheba havanana indrindra dia mampiasa janon-kiheba voahitsy havia avy amin'ny henenin'antsasak'intsa avy eo amin'ny sisiny havia i Ted. Fomba tsara kokoa handrafetan-dahatsoratra ho tsangana ny takelajoro noho ny janon-kiheba amin'ny tranga maro.
 
 
Ny toeran'ny kinifinify sy kiheba samy hafa dia azo ovaina amin'ny fisarihana ny gejam-panipika izay maneho azy. Azo afantsona amin'ny fipihana eo amin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny janon-kiheba. Azo esorina ny janon-kiheba amin'ny fisarihana azy avy teo amin'ny vanditra fotsy. Ilay bokotra kely eo amin'ny ambony havian'ny fanipika dia mamepetra ny karazan-janon-kiheba asisika rehefa pendenao ao anaty vanditra fotsin'ny fanipika:
<IMG>
Manisika janon-kiheba havia: Mihitsy havia mifanitsy amin'ny janon-kiheba ny lahatsoratra eo afaran'ny janon-kiheba.
<IMG>
Manisika janon-kiheba havanana: Mihitsy havanana mifanitsy amin'ny janon-kiheba ny lahatsoratra eo afaran'ny janon-kiheba. Mipoitra eo alohan'ny janon-kiheba ny lahatsoratra vokatr'izay.
<IMG>
Mampiditra janon-kiheba miivo: Miivo manodidina ny janon-kiheba ny lahatsoratra eo afaran'ny janon-kiheba. Tena eo afovoan'ny lahatsoratra tsara aorian'ny fandrafetana.
Amin'ny tranga maro dia mora kokoa ny mampiasa fanitsian-takelajoro sy andininy ao anaty efi-takelajoro noho ny mampiasa janon-kiheba raha hanitsy lahatsoratra ho tsanganana.
 
Azo itadidiana fanipika ny fifanti-tsakafo `Mandika Fanipika'. Mitadidy ny fanipik'andininy misy toeram-panisifana anaty lahatsoratra izy. Raha misy fari-dahatsoratra mivohitra dia tadidiny ny fanipik'andininy izay iantombohan'ilay faritra mivohitra. Azo ampiharina amin'andininy hafa ny fanipika tadidy. Manafantsona ny fanipika tadidy ho amin'ilay andininy misy toeram-panisifana ny fifantin-tsakafo `Mametaka Fanipika'. Raha misy fari-dahatsoratra mivohitra dia mifantsona amin'ny andininy rehetra misy silak'ilay faritra mivohitra ny fanipika tadidy.
 
Ampiasao ny fifantina `Manao Andininy Iray' raha hamihina ny andininy ao amin'ny faritra mivohitra ho andininy iray. Tena ilaina tokoa io any anaty rakitra izay miala avy amina tahiry vokatra amin'ny mpandrary lahatsoratra toy ny vi.
 
Mahazaka toetra mampiava-pandrafetana amboniny fanampiny sasany i Ted. Mamela anao hanova ny toetra mampiavak'andininy ny geja eo amin'ny pejin'ny `Andininy' amin'ny'fitaovana `Rafitra'. Mariho fa na dia miendrika teboka aza ny ny habe rehetra dia azonao atao ny maniditra habe amina venty hafa. Mivadika ho teboka ny habe rehefa tsindrinao ny fanendry `Maniditra'.
 
Oha-pandravahana andininy sy ny fanipiny ity manaraka ity.
 
 
Raha hanova an-tanana ny toetra mampiavaka ny andininy ankitrio dia ampiasao ny pejin' Andininy amin'ny Fitaovana Rakitra.
 
 
Toetra mampiavak'andininy ao amin'ny pejin'ny Andininy amin'ny Fitaovana Rakitra.
 
Kinifinify havian'ny andalana voalohany
Dia ny zeva misy ny litera voalohan'ny andalana voalohan'ny andininy avy eo amin'ny sisiny havian'ny pejy (na ny efi-takelajoro).
Kinifinify havia
Dia ny zevan'ny litera voalohan'ny andalana faharoa sy ny sisa manaraka ao anaty andininy avy ao amin'ny sisiny havian'ny pejy (na ny efi-takelajoro).
Kinifinify havanana
Dia ny zevan'ny litera faran'ny andalana ao amin'ny andininy avy eo amin'ny sisiny havanan'ny pejy (na ny efi-takelajoro).
Fanitsiana
Mamepetra ny fihitsin'ny atin'ny andalan'ny andininy raha ampifandraisina amin'ny pejy na efi-takelajoro miaty lahatsoratra.
Heba
Raha ny ara-dalana, ny zeva eo ankebaheban'ny andalana ao amina andininy dia voafepetry ny endritsoratra lehibe indrindra na ny dindon'andalana anatin'ilay andininy. Mamela anao hanana fiantraka amin'ny zevan'andalana ny sakafo `Heba'. Tsy mbola zakan'ny fitaovam-pandrafetan'ny Ted 2.10 ny fahafaha-mampihatra ny heban'andalana amin'ny andalana faran'ny andininy.
Heba Ambony
Ahafahanao manome ny haavon'ny tsoripika fotsin'ny taratasy mitataho ny andalana voalohan'ny andininy.
Heba Ambany
Ahafahanao manome ny haavon'ny tsoripika fotsin'ny taratasy mitaty ny andalana faran'ny andininy.
Morona Andoha
Manana morona andoha ny andininy rehefa mandeha. Azonao aiditra anatin'ny fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.2 mm eo ho eo). Morona mainty matevina ihany no zakan'i Ted na dia mahazaka endri-morona maro samy hafa aza ny tahirin-drafitra RTF.
Morona Antongotra
Manana morona antongotra ny andininy rehefa mandeha. Azonao aiditra anatin'ny fefin-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.2 mm eo ho eo). Morona mainty matevina ihany no zakan'i Ted na dia mahazaka endri-morona maro samy hafa aza ny tahirin-drafitra RTF.
Manomboka Amina Pejy Vao
Tombohy ity fahitra ity raha hampandingana an'i Ted mankamina pejy vao rehefa mandrafitra an'ity andininy ity izy. Tsy mihatra amin' andininy anaty takelajoro ity toetra mampiavaka ity.
Tazonina Anaty Pejy Iray
Aza zaraina eo anivom-pejy maro ity andininy ity raha tsy rehefa misy firam-pejy voasoritra mazava ihany. Rehefa lava noho ny pejy ny andininy dia tsy jerena ity toetra mampiavaka ity.
Gejan'ny Mananotena/Kamboty
Rehefa zaraina eo anivom-pejy maro ity andininy ity dia miray pejy ny andalana voalohany sy faharoan'ilay andininy. Mihatra amin'ny andalana roa faran'ny andininy koa io.
Ampombaina amin'ny Manaraka
Zaraina eo anivom-pejy maro ny lahatsoratra ka amin'izany dia mipoitra eo amin'ny pejy ipoiran'ny manaraka ity andininy ity. Io dia noho izy lohatenin'ny andininy manaraka, karazana miavaka iray.
 
Takelajoro
 
Fidio ny `Manisika Takelajoro' ao amin'ny sakafo `Manisika' raha hanisika takelajoro ao anaty rakitra. Fomba fandrafetana mijotso ny takelajoro. Tsy voatonta ny moron'efitrefi-takelajoro. Miseho ny moron'efitrefitra volondavenona tanora mba hahitana maso ny rafi-takelajoro. Ampiasao ny safidin-tsakafo `Maneho Karakaran-Takelajoro' mba hanafenana azy raha manorisory anao ireny. Ampiasao ny fitaovan-takelajoro raha hanampy moron-tsivalana sy tsanganana amina takelajoro.
 
Manana fanipika voatokana ahafahanao manisaka ny moron-takelajoro amin'ny fisarihana azy miankavia sy miankavanana ny hoakan-drakitra raha ao anaty takelajoro ny mivohitra. Maneho ny tohatoha-jotr'io ity fandravahana eto ambany ity.
 
Ny fitaovan-fandrafetam-pejy ho takelajoro dia ahafahanao manao zavatra sarotra kokoa amin'ny fandrafetan-takelajoro, toy ny fametrahana efitrefitra anaty moron-takelajoro sy fanovana ny morona anatin'ny efitrefitra. Io koa dia ahafahanao manaisotra tsivalana na tsanganana, manisika tsivalana na tsanganana alohan'ny fampivohirana. Io dia miavaka amin'ny safidin-tsakafo izay aorian'ny fampivohirana ihany no mamela anao manampy an'ireo. Ireto ambany ireto ny fitaovam-pandrafetam-pejy ho takelajoro sy fanazavana ny azo atao aminy. Mariho fa, na dia teboka aza no anehoana ny habe rehetra dia afaka mampiditra habe amina venty samy hafa ianao. Manjary teboka ny habe rehefa tsindrinao ny fanendry `Maniditra.'
 
 
 
 
 
 
Sisiny Havia
Dia ny zeva misy ny sisin-takelajoro havia avy eo amin'ny sisim-pejy havia. Ny sanda miiba dia midika fa ny morona havin'ny takelajoro dia eo ankavian'ny sisiny havian'ny sisim-pejy. Raha iban'ny sandan'ny `Sisin'Efitrefitra' io sanda io dia mifanitsy ny sisiny havian'ny lahatsoratra ao anaty sy ivelan'ny takelajoro.
Sisin'Efitrefitra
Dia ny zeva misy ny lahatsoratra avy eo amin'ny sisiny havia na havanan'ny efitrefi-takelajoro.
Morona Andoha
Manana morona andoha ny tsivalana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
Morona Antongotra
Manana morona antongotra ny tsivalana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
Tazonina Anaty Pejy Iray
Rehefa mandeha ny savily Tazonina Anaty Pejy Iray dia tsy mizara eo anivom-pejy maro ny tsivalana rehefa atonta ny rakitra. Raha tsy omby ho iray tsy misilaka eo amin'ny pejy anombohany izy dia mikisaka mankao amin'ny pejy manaraka
Haavo Mahaleo
Ny haavon'ny efitrefitra avo indrindra no haavon'ny tsivalana.
Haavo Farafahakely
Ny tarehimarika ao anaty filatron--dahatsoratra no haavon'ny tsivalana farafahakeliny. Ampifanarahana ny haavon'efitrefi-tsivalana izay mihoatra.
Haavo Katsa
Ny haavo ao anaty filatron-dahatsoratra no haavon'ny tsivalana na dia tsy omby aza ny atin'efitrefitra.
Saka (Tsangana)
Dia ny sakan'ny tsangana mivohitra. Manandrana manakana anao tsy hanova ny sakan-tsangana ho sanda mahatonga ny takelajoro ho lehibe noho ny pejy ny fitaovan-takelajoro.
Morona Havia
Manana morona havia ny tsangana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
Morona Havanana
Manana morona ny tsangana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
 
Na dia mahazaka karaza-morona maro hafa aza i Ted dia mitsitokantokana no fampiasany sy fikirakirany ny moron' efitrefitra. Afaka manana saka, na inona na inona, ary karazana samy hafa ny morona ao anaty firafitra RTF. Morona mainty mavesatra ihany no zakan'i Ted. Manova ny moron'efitrefitry ny tsivalana na tsangana ny lahasan-kirakira anaty tsivalana na tsangana.
 
Tsinjara
 
Azo zaraina ho tsinjara ny rakitra lava kokoa. Azo oharina amin'ny fizarana anaty boky ny tsinjara. Raha ara-dahasa mijotso dia manomboka amina pejy vao i Ted rehefa atonta ny rakitra. Afa- miendrika samy hafa ny famarihan-daharam-pejy sy lohapejy ary tongopejin'ny tsinjara samy hafa. Afa-manana fiseho samy hafa mihitsy aza ny tsinjara samy hafa. Ampiasao ny helaka `Andoha sy Antongotra' eo amin'ny fitaovam-pandrafetana raha hanova ny andohapejy sy antongopejin-tsinjara. Ampiasao ny helaka `Fiseho Pejy' eo amin'ny fitaovam-pandrafetana raha hanova ny fisehon-tsinjara.
 
Toetra mampiava-tsinjara eo amin'ny helaka `Tsinjara' ao amin'ny `Fitaovana Rafitra'
Manomboka
Manambara amin'i Ted ny toerana hanombohan-tsinjara. Ny fanombohana mijotson'ny tsinjara vaovao amina pejy vao. Ireto no mety mitranga:
Ambanin'ny eo Aloha: Tsy mampanomboka pejy vao an'i Ted ny fiampitana avy ao amin'ny tsinjara eo aloha mankamin'ity tsinjara ity.
Anaty Tsanganana Manaraka: Rehefa manana tsangana miendri-gazety ny tsinjara dia manomboka tsangana vaovao ho an'ilay tsinjara ny mpandrafitra. Manomboka amim-pejy vao i Ted noho izy tsy manatanteraka tsinjara maro tsangana.
Ao Pejy Vao: Manomboka ny tsinjara eo amina pejy vao i Ted.
Ao Pejy Ankasa: Manomboka ny tsinjara ao amina pejy mimari-daharana ankasa i Ted. Misy pejy foana misisika raha manana mari-daharana tsiankasa ny pejy manaraka.
Ao Pejy Tsiankasa: Manomboka ny tsinjara ao amina pejy mimari-daharana tsiankasa i Ted. Misy pejy foana misisika raha manana mari-daharana ankasa ny pejy manaraka.
Karaza-Maridaharam-Pejy
Ny karaza-mari-daharana ampiasaina ao andoha sy antongotry ny pejy ananan'ity tsinjara ity. Ny mari-daharana mitovy karazana dia mikasika ny pejy amin'ity tsinjara ity.
Manomboka Amin'ny Pejy
Mimari-daharana manomboka amin'ny iray ny pejin-drakitra raha ny ara-dalana. Ahafahanao manome mari-daharam-pejy manokana ho an'ny tsinjara ny savily `Manomboka Amin'ny Pejy' . Ahafahanao manome ny mari-daharan'ny pejy voalohan'ny tsinjara mihitsy aza ny fahi-dahatsoratra eo ankavanana.
Tsanganana
Isan'ny tsanganana miendri-gazety izay ampiasaina handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana miendri-gazety i Ted 2.10.
Heba Tsanganana
Heba manelanelana ny tsanganana miendri-gazety ampiasaina handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana miendri-gazety i Ted 2.10.
Saka Tsanganana
Sakan-tsanganana miendri-gazety ampiasaina handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana miendri-gazety i Ted 2.10.
 
Lohapejy, Tongopejy, sy Maridaharam-Pejy
 
Manana lohapejy sy tongopejy azy manokana ny tsinjara tsirairain'ny rakitra. Atonta eo amin'ny sisiny andoha sy antongotry ny pejy ny lohapejy sy tongopejy. Fehezin'ny pejim-pitaovam-pandrafetana `Fiseho Pejy' amin'ny fomba entitra ny fitoerany. Tsindrio ny iray amin'ny bokotra `Rarina Lohapejy' na `Rarina Tongopejy' eo amin'ny tapenaka `Lohapejy sy Tongopejy' anaty fitaovam-pandrafetana.
 
Misy singa roa mamepetra ny karazan-dohapejy sy tongopejy mifandraika amin'ny tsinjara: Na mampiasa lohapejy sy tongopejy hafa eo amin'ny pejy voalohan'ny tsinjara ny rakitra na tsia, na mampiasa lohapejy sy tongopejy samy hafa amin'ny pejy ankasa sy tsiankasa ny rakitra na tsia.
Safidio eo amin'ny karazam-pejy tianao hiakoana, dia tsindrio ny bokotra `Mandrary Lohapejy/Tongopejy' na `Manaisotra Lohapejy/Tongopejy' raha handrary na hanaisotra lohapejy na tongopejy. Voavoatra ny lohapejy na tongopejy rehefa tsindrina ny bokoatra `Mandray Lohapejy/Tongopejy' raha sendra tsy misy ny karazam-pejy sasany. Mila manana pejy telo farafahakeliny ny tsinjara iray vao mahazo ny karazam-pejy mifandraika (Voalohany, Ankasa, Tsiankasa). Eo am-pandrariana lohapejy sy tongopejy efa ao dia tsy azo atao ny mandrary lohapejy sy tongopejy ho ana pejy izay tsy ananan'ny tsinjara. Izany dia midika fa mety mila manisika firam-pejy tsy raikitra ao anaty lahatsoratra ianao mba hahatonga ny lohapejy na tongopejy miavaka ho takatra.
Raha ny ara-dalana, tsy takatra amin'ny fipihana totozy na fanendry tondro ny oohapejy sy tongopejy. Piho indroa eo amin'ny lohapejy na tongopejy raha hanomboka handrary lohapejy na tongopejy. Piho eo amin'ny toerana iray anaty vatan-dahatsoratra raha hiverina ho ao amin'ny vatan-dahatsoratra.
 
Ampiasao ny safidin-tsakafo `Manisika Mari-Daharam-Pejy' raha hanisika mari-daharam-pejy. Ao amin'ny lohapejy sy tongopejy ihany no azo anisihan-dohapejy sy tongopejy.
 
Habem-pejy sy Sisina
 
Ny vovon-kevitra mifandraika aminy no mamepetra ny haben'ny pejy sy ny sisin-drakitra vao araky ny noresahina ao amin'ny andininy momba ny vovon-kevitra azo ampiendrehina. Ny habem-pejy, ny fitodi-pejy ary ny sisin-drakitra dia azo ovaina amin'ny tapenaka `Fiseho Pejy' anaty fitaovam-pandrafetana. Azafady mankanesa ao amin'ny drafi-pehezantenin'ny vovon-kevitra ho an'ny fandrafetan-tsanda izay azo aiditra anaty filiron-dahatsoratra. Ny fanindriana ny fanendry `Maniditra' anaty filatron-dahatsoratra dia manavao ny kisarisary eo amin'ny fitaovana `Fiseho Pejy' mba hahatsapanao ny fisehon'izay navohitrao. Manajary fahalalana momba ny fisehon'ny pejy ao amin'ny toerana roa ny firafi-tahiry RTF: Ho an'ny rakitra iray manontolo sy ho an'ny tsinjara mitokatokanan'ny rakitra. Fanovana ny fisehom-pejin-tsinjara mivoitra ao anaty rakitra ihany no avelan'i Ted ovaina na dia mety ho ilaina tokoa aza ny fisehom-pejy hafa ho ana tsinjara hafa ao anaty rakitra. Maneho ny tapenaky ny fisehom-pejy ity fandravahana eto ambany ity.
 
 
 
Manonta amin'i Ted, manoratra PDF Acrobat
 
Fanteno ny safidy `Atonta...' eo amin'ny sakafo `Tahiry'. Mipoitra ny hoakan-dinikyny fanontana. Miaty sakafo misy ny mpanonta ao anaty solosaina ka azo ampiasaina ny hoakan-dinikyny fanontana. Ankoatry ny mpanonta, ny sakafo dia misy safidy hanontana avy amina tahiry. Raha efa nampiendrika baiko ho an'ny tahadika ao amin'ny fanovozam-pampiharana ianao dia hiaty safidy tahadika lavitra koa ny sakafo. Ny fiantsoana ny baiko mpandrindran'ny vorindrafitra mpanodina ny mpanonta no mamepetra ny lisitry ny mpanonta. Andramana ireto baiko manaraka ireto:
lpstat -a
lpc status
/usr/sbin/lpc status
 
 
Marihina fa ny ParaSora ihany no atontan'i Ted. Tokony hahazaka ny endritsoratra rehetra ampiasain'i Ted amina rakitra miavaka ny mpanonta. Mankanesa ao amin'ny tsinjara momba ny torolalana amin'ny fampiakarana endritsoratra amboniny ho an'ny parasoran'ny mpanonta. Afaka mampiasa ny fonosam-pikitihana parasora lafatra GhostScript ireo izay tsy manana mpanonta miparasora. Azo alaina avy ao amin'ny ftp.cs.wisc.edu ao amin'ny lahatahiry ghost io. Manolotra fikitiham-parasora tsara ho ana mpanota maro karazana ny GhostScript Aladdin sy Ghostscript GNU. Eo anilan'izany dia azo ampiasaina ho solon'ny mpandio Acrobat io mba hamadihana ny tahiry Parasora hirafitra PDF. Mankanesa ao amin'ny firaketana GhostScript misy torolalana momba ny fanampiana endritsoratra ho an'i GhostScript.
 
Rehefa efa nampiendrehana ihany ny baiko tahadika vao mandeha ny filatron-dahatsoratra fampidirana mari-daharan-tahadika, toy ny safidy Tahadika ao amin'ny sakafom-pifantenana mpanonta. Rehefa voafintina ho mpanonta ihany ny tahadika vao azonao ampidirana mari-daharan-tahadika ao anatiny. Tsy mandeha io ho an'ny mpanonta hafa rehetra. Maneho hoakan-dini-panontana misy safidy samy hafa ny fandravahana eo ambany. Am-pijotsoana dia manonta pejy iray isa-takilan-taratasy i Ted. Amin'io dia tetehina mivany ny mivoaka mba ho tafiditra anaty takila. Raha ny ara-dalana dia atontan'i Ted daholo ny pejy rehetra anaty rakitra. Azo ferana amina laha-pejy ny fanontana amin'ny alalan'ny sakafo eo antongotry ny hoakan-dinika `Atonta...'.
 
Mampiasa ny vovo Ted.taratasy i Ted rehefa manapa-kevitra amin'ny haben'ny taratasy ao anaty mpanonta. Ampiasaina amin'ny fameperana ny haben'ny pejin-draki-bao koa io vovo io. Ny Parasora izay alefa mankao amin'ny mpanonta no maminavina io haben-taratasy io. Azonao atao ny mifantina haben-taratasy hafa rehefa sendra manana haben-taratasy hafa ianao. Marihina fa amin'ny fametrahana ny lahatsoratra voarafitra eo amin'ny pejy ihany no miako ny haben-taratasy fantenina ao amin'ny hoakan-dini-panontana fa tsy amin'ny fandrafetana ny voka-panontana mivoaka. Ampiasao ny fitaovam-pisehoam-pejy raha handrafi-drakitra ho ana taratasy hafa habe.
 
Mahazaka andalam-baiko fiantsoana roa i Ted hamadihana rakitra RTF ho Parasora avy eo amin'ny andalam-baiko. Ny Ted ++PrintToFile this.rtf that.ps dia manao tahiry Parasora mampiasa firafi-taratasy mijotso. Ny Ted ++printToFilePaper this.rtf that.ps letter dia manao tahiry Parasora ho ana mpanonta misy taratasy fanoratan-`taratasy'. Mankanesa ao amin'ny fandraketam-panovozana Ted.taratasy raha mila lisitry ny rafi-taratasy azo atao. Mbola ilaina ihany ny tontolo X11 na dia tsy ampiasaina amin'ireo antso ireo aza izy. Kileman'i Ted efa fantatra io.
 
Asian'i Ted ny antsoina hoe pdfmarks ao amin'ny parasora soratany. Ahafahan'ny mpandio Adobe Acrobat na GhostScript mamboatra tahiry izay miaty rohibe sy tsoratadidy mitovy amin'ny matoan-tahiry RTF io. Ity manaraka ity ny baiko GhostScript mamadika tahirim-parasora ho PDF:
gs -q
-dNOPAUSE -sDEVICE=pdfwrite -sPAPERSIZE=a4 \ -sOutputFile=that.pdf this.ps -c quit
 
Azonao ampanamboarana tahiry ambony kalitao Acrobat PDF avy amin'ny tahirinao RTF i Ted miaraka amin'ny GhostScript, na dia amin'ny endrika sora-tanana aza. Mankanesa ao amin'ny soratra rtf2pdf.sh script ao an-tananan'i Ted ftp raha mila ohatra feno.
 
Angamba manana mpanonta azo ampanjifaina ianao na mampiasa baiko voatokana hanontana amina mpanonta Parasora. Afaka manonta ami-mpanonta ampanjifaina ianao raha mametraka vovo roa ao anaty tahirim-pitovozana: Ny vovo Ted.customPrintCommand no baikom-panontana mankamin'ny mpanonta ampanjifaina. Ted.customPrinterName no anaran'ilay mpanonta ampanjifaina. Manisika safidy amboniny iray ao anaty sakafom-pifantenana mpanonta i Ted mba hanontana avy amin'ilay baiko rehefa voapetraka ireo vovo roa ireo. Ataon'i Ted ho mpanonta mijotso ny baikom-panotana ampanjifaina noho izy io zavatra voatokana. Ny sandan'ny customPrinterName no fisesy fohy ampiasaina ao amin'ny sakafo mba hifantenana ny mpanonta ampanjifaina. Ny sandan'ny customPrintCommand dia akoram-baiko jadona hanontana amin'ny mpanonta ampanjifaina. Rehefa miaty lasitra %f ny customPrintCommand dia misolo an'ilay lasitra ny anaran-tahiry tselika hanontana. Raha tsy izany dia misesika mankao amin'ny baikom-panontana ampanjifaina ny ParaSora. Anjara andraikitry ny customPrintCommand ny famafana ny tahiry tselika rehefa mampiasa ny %f ao amin'ny customPrintCommand ianao.
 
Ohatra: Ireto fipetraham-pitovozana ao amin'ny tahiry .Xdefaults na .Xresources ireto dia mampiasa ny ghostview ho mpitsiriky ny mpanonta:
Ted.customPrintCommand: ( ghostview '%f'; rm '%f' ) &
Ted.customPrinterName: Preview
 
Fampiasana an'i Ted miaraka amin'ny fonosana Martin Vermeers FaxView ny ova manodidina an'ny APP_FAX_TO. Rehefa omena ny baikon-tahadikan'i Ted ka mandeha ny APP_FAX_TO dia fantenan'i Ted ho mpanonta mijotso ny tahadika ary ampidiriny anaty fahi-dahatsoratry ny mari-daharan-tahadika ny sanda.
 
Mitahiry rakitra ho HTML sy lahatsoratra tsotra
 
Azo atao ny mitahiry rakitra ho rafitra HTML. Satria tsy afa-mamaky HTML i Ted dia voatery atao amin'ny safidin-tsakafo `Tahirizina Amin'ny' izany. Raha miaty sary miteboka ny rakitra tahirizina ao amin'ny tahiry something.html dia ao anaty tahiry something.img izay tahirin-tsary no itahirizana an'ireo sary. Ny sary misy loko vitsy dia tahirizina ao amin'ny tahiry gif. Ny sary misy loko maro dia tahirizina ho tahiry JPEG miaraka amin'ny fihitarana .jpg. Tena jadona ny anaran'ny tahirin-tsary ao amin'ny something.img, fa manandrana mitazona an'ireo ary mampiasa anarana mitovy ho ana sary iray i Ted isaky ny mitahiry an'ilay rakitra ho HTML.
 
Satria maro ny tsy itovizan'ny RTF SY HTML na eo amin'ny fomba fandrafetan-drakitra na eo amin'ny fahafaha-mandrafitra dia voatery nitady fampifanarahana teo anelanelan'ny famoahana HTML izay manja arak'izay azo natao sy HTML izay mitovy endrika amin'ilay matoan-drakitra RTF arak'izay azo natao aho. Naneho fifangarihana mpizaha be loatra ny sedra natao tamina takilam-pomba fizaha, hany ka nanapa-kevitra fa ho atao tanana ny fampitovizana noho ny hakiviana aman-kasorenako amin'ny lafiny iray. Mampiasa fitrandrahana mitohan-kevitra sasany sy kirambon'<ENDRITSORATRA> aho. Fantatro fa fahazaran-dratsy io, saingy tsy nahita fandiasina azo niriranana aho. Raha mamaky an'ity rakitra ity amin'ny rafitra HTML ianao dia afaka manapa-kevitra ho an'ny tenanao na ratsy tarehy na tsia ny vokany.
Ny rohibe dia avadika ho <A HREF= "something" >. Ny tsoratadidy dia avadika ho <A NAME= "something">.
 
Mamadi-drakitra mirafitra RTF ho HTML sy andalam-baikon'antso ny baiko Ted ++saveTo this.rtf that.html. Tsy ampiasaina amin'io karazan'antso ny tontolo. Midika izany fa ny sanda mijotson'ny vovo azo ampiendrehana no ampiasaina fa tsy ny fampandefasana manokana anananao. Kileman'i Ted efa fantatra io.
 
Ahafahanao mitahiry rakitra ho lahatsoratra tsotra ny safidin-tsakafo `Tahirizina Ho' sy `Tahirizina Amin'ny'. Manana fomba roa fitahirizan-drakitra ho lahatsoratra tsotra i Ted. Ny voalohany dia mamoritra ny lahatsoratra anaty andininy amin'ny fomba hafa kely, hany ka azo ampisaina mora foana miaraka amina mpandrary lahatsoratra tsotra mibika endritsora-pamaranana toy ny vi sy emacs. Ny faharoa dia mitahiry andininy ho andalan-tokan-dahatsoratra tsotra. Tena tsy manamora asa amin'ny mpandrary lahatsoratra io, ary voatazona koa ny matoan-drakitra etsy an-kilany.
 
Mandefa hafatra avy amin'i Ted
 
Azonao alefa mivantana avy amin'i Ted ny lahatsoratra tendrenao. Fidio ny `Hafatra...' ao amin'ny sakafo `Tahiry'. Mitranga ity hoakan-dinika manaraka ity.
 
 
 
Mampidira lohahevitra sy ny mpandray maro karazana eo amin'ny seha-dahatsoratra *). Ampidiro eo amin'ny seha-dahatsoratra `Avy amin'i' ny adiresin-kafatrao, na mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fahitana fomba fametrahan-tsanda mijotso ho an'ny `Avy amin'i'. Rehefa misinton-kafatra amin'ny alalan'ny mpandroso an-tserasera ianao dia ny adiresin-kafatrao no ampidirinao eto fa tsy ny adiresy ananao ao anaty solosainao. Fidio ny karazan'atin-kafatra. Ataovy an-tsaina fa mpampiasa Microsoft sy ny olona manana Ted anaty miliny ihany ho afa-mamaky hafatra mirafitra HTML. Koa raha tsy fantatrao ny mpandray hafatra dia ny mandefa hafatra amin'ny lahatsoratra tsotra no tsara indrindra. Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny vovo azo ampiendrehana raha mila mampiendrika karazan'atiny mijotso ho an'ny hafatrao ianao.
 
Marihina fa i Ted dia tsy natao ho fampiharana mpandefa hafatra mihitsy. Misy ny safidy hafatra lala-mahitsy saro-dalana izay mitahiry lahatsoratra dia manondrana azy anaty fampiharana mpandefa hafatra avy eo. Tsy misy ny zavatra toy ny bokin'adiresy.
 
Afaka mandefa hafatra amina rafitra telo i Ted:
lahatsoratra/tsotra: Ny rakitra tsy misy fandrafetana no hafatra. Ny lahatsoratra ihany no mijanona. Ny sary sy firafitra rehetra dia esorina avy amin'ny rakitra.
fampharana/rtf: Alefa amin'ny rafitra mitovy tsy misy hafa amin'ny fampirimana azy ho tahiry ny rakitra.
lahatsoratra/html: Alefa amin'ny rafitra HTML ny lahatsora-drakitra. Ny tena mitranga dia tsy ny HTML izay ho notahirizina anaty kapila fotsiny ny atiny. Ny HTML sy ny sary nampidirina dia alaro ho hafatra marotsinjara mifandray amin-kafatra fakan-tahaka mifandrindra amin'ny rfc 2557 (hafatra HTML).
 
 
*)
Mahazo ny hafatra ny mpandray Id (Iray Dika) ary lazaina eo andohan'ny taratasin-kafatra.
Mahazo ny hafatra koa ny mpandray Idm (Iray Dika Miafina) saingy tsy lazaina eo andohan'ny taratasin-kafatra.
 
Ahoana ny fampiasana an'i Ted ho mpihazo-mpaka tahaka sy fampiharana mpanampin'i Netscape
 
Ao amin'i Netscape 4.0, fidio ny `Mandrary', `Safidy Voalohany...', `Navigator, `Fampiharana', dia piho eo amin'ny `Reva-Tsoratra Firafitra'; avy eo piho ny bokitra `Mandrary'. Ampidiro ny Ted '%s' eo amin'ny fahitry ny `Mandrary' anaty `Fampiharana'
 
Ny vokatra azo dia andalana fampiharana/rtf;/Ted' '%s' ao amin'ny tahiry $TRANO/.mailcap izay ampiasain'ny mpamaky hafatra hamantarany ny rindranasa ho ampiasaina hamelarana karazam-piatin-kafatra sasany.
Azonao natao koa ny nampiditra an'io andalana io miaraka amin'ny mpandrary lahatsoratra toy ny vi sy emacs.
 
 
Mampiendrika an'i Ted
 
Amin'ny ankapobeny dia tsy ilaina ampiendrehina na ampanjifaina i Ted. Na izany aza, azo ampanjifaina amin'ny alalan'ny kiralefam-bovom-pampiharana mahazatra X11 ny lahatsoratra sy fipetraka mijotso rehetra. Tsy mampiasa anaran-drakitra filatro i Ted, noho izany, tsy misy vovom-pilatro azo apetraka amin'ny fampiasana ny kiralefam-bovom-pilatro *). Mankanesa ao amin'ny tahiry /usr/local/info/Ted.ad.sample misy tahirim-bovo ohatra nomarihina.
 
Raha hampitsimbadika ny sanda mijotson'ny vovo navangongo anatin'i Ted dia apetraho ny andalana izay ovainao ho tahiry $HOME/Ted ao anatin'ity tahiry. Raha tsy tia tahiry tazana mazava ao anaty lahatahirin'ny tranonao ianao dia aidiro ny andalana novaina anatin'ny $HOME/.Xdefaults na $HOME/.Xresources
Mampidira andalana miendrika Ted.someprop: somevalue isaky ny toetra miavaka antsoina hoe some.prop.
 
Mikasika lahatsoratra amin'ny baiko samy hafa eo amin'ny hoaka ny ankabeazan'ny fipetraka.
Tsy voafaoka ao anatin'ity bokim-pampidirana ity ireny. Mankanesa ao amin'ny tahiry Ted.ad.sample misy ohatra sy fanazavana raha te-hanova lahatsoratra ianao, toy ny fametrahana ao an-toerana an'i Ted.
 
Satria miaty ny fijotsoana rehetra ny tahiry santionana dia izay ovainao ihany no misy dikany.
 
Miantraika amin'ny fahafaha-miasan'i Ted ireto toetra mampiavaka ireto:
 
Endritsoratramijotso:
Ampiasaina ho endritsoratry ny rakitra vao. Ny rafitry ny rohitra dia: <Vory>,<Lanja>,<Mandry>,<Habe>,<Mitsipika>. E.G. "Helvetica,,,10" na "Times,Matevina,Mandry,14,Mitsipika". Aza apetraka anaty tahirim-bovo anaty faingo miantona ny sanda.
fampihebana:
Fampihebana ho an'ny raki-tsarisary eo amin'ny fidisana. Ny sanda mijotso dia 1.2 ho an'ny 120%.
venty:
Ny venty ampiasaina am-pijotsoana. Miantraika amin'ny fitrangan'ny fanipika sy fandraisana ny isa aiditra eo amin'ny fitaovam-pisehom-pejy ity vovo ity. Ny sanda mety dia: intsa, “, sm, mm, teboka, pt (tk), picas (pika), pi (pi).
taratasy:
Ny rafi-taratasy anaty mpanonta. Ny rafi-taratasy no ampiasaina ho habem-pejy mijotson-drakitra vao. Raha kely kokoa ny habem-pejy ampiasaina dia ampiasain'i Ted ny vovon-taratasy hanontana ny zoro ambony havian'ny taratasy. Ny sada mety dia: a4,a5,letter,legal,executive sy rohitra miendrika <Sakany> x <Haavo> ary amin'io, ny <Sakany> sy <Haavo> dia saka mitombina. Ny saka mitombina dia rohitra miendrika <Isa> <Venty>. Nomena ery ambony ny sandam-benty. Raha tavela ny <Venty> dia vinavinaina ny sandan'ny vovom-`benty'. Tsy manatoby haben-taratasy ho an'ny tahiry anaty tahiry ny tahirin-dahatsoratra tsotra. Ampiasaina amin'ny fisehom-pejy ny vovon-taratasin'i Ted isaky ny lahatsoratra tsotra sokafany.
Mpanontamijotso:
Raha te-hampiasa mpanonta hafa noho ny mpanonta mijotso avy amin'i Ted ho mpanonta mijotso ianao dia azonao ajadona ity vovo ity hifidianana an'ilay mpanonta amin'ny fotoana voalohany ampiasanao ny Dini-Tonta.
Sisinahavia:
Ny sakan'ny sisina havian-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinahavanana:
Ny sakan'ny sisina havanan-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinaandoha:
Ny haavon'ny sisina andohan-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinaantongotra:
Ny haavon'ny sisina antogo-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Atin-kafatra:
Ny karazan'aty mijotso ho an'ny hafa-taratasy. Lahatsoratra tsotra ny mijotso. Ny anaram-bovon-tsakafo options. I.E mailPlain,mailRtf,mailHtml no sanda mety..
hafatraAvyamin'i:
Ny mpandefa mijotson'ny taratasin-kafatra. Tsy misy sanda mijotso fa rehefa tsy misy nomena dia manandrana mamboatra anarana toy ny `Anaranao<login@host.domain> ny rindranasan-kafatra. Raha sintoninao avy amina mpandroso an-tserasera ny hafatrao dia omeo eto ny adiresin-kafatrao amin'ilay mpandroso, fa tsy ny adiresy ananao ao anaty solosainao.
Mpandrosohafatra:
Ny tohy SMTP ampiasaina hampitana ny hafatrao. Ny `localhost' no mijotso.
Lahatahiryafm
Ny lahatahiry izahan'i Ted tahirin'endritsoratra mimetatra. Ny endritsoratra manan-tahiry mimetatra ihany no azon'i Ted ampiasaina. Amin'ny fametraha-mijotso dia ao amin'ny /usr/local/afm no antenaina hisy ny tahiry mimetatra. Ilaina ity vovo ity indrindra indrindra rehefa tsy afaka mametraka an'i Ted amin'ny maha-faka ianao ary voatery manatoby ny tahiry mimetatra anaty lahatahiry manokana #).
spellToolSystemDicts:
(FitaovantsipelinaDrafiDrakb) Ny lahatahiry izahan'i Ted takibolan-tsipelina. Amin'ny fametraha-mijotso dia azo amin'ny /usr/local/ind no antenaina hisy ny takibolan-tsipelina. Ilaina ity vovo ity indrindra indrindra rehefa tsy afaka mametraka an'i Ted amin'ny maha-faka ianao ary voatery manatoby ny rakibolana anaty lahatahiry manokana #).
AnaranaTahirindrakitra:
Ny anaran'ity tahirin-drakitra manday ity. Amin'ny fametrahana mijotso ity dia /usr/local/info/TedDocument.rtf. #)
Baikotahadika:
Ny baiko ampiasain'i Ted handefasana ny rakitra iasana ho tahadika. Anaty baiko, ny %f dia soloina anaran-tahiry tselika, ny %n soloina mari-daharan'ny tahadika, ary ny %t soloina ny lohatenin'ny hoakan-dahatsoratra. Heverina fa manaiky ParaSora ho fahana ny baikon-tahadika. Soratana amin'ny ParaSora ny tahiry tselika raha miaty fitranana %f ny baiko, raha tsy izany dia mizohy mankao anaty baiko ny ParaSora. Lavina ny baiko tsy misy lasitra %f mba hialana amin-tseho hafahafa. Mandeha ireto manaraka ireto ao amin'ny fonosan-tahadika tendrilavitr'i Ed Casas:
a)
Mandefa tahadika fotsiny dia miandry ...
Ted.faxCommand: ( ( fax send '%n' '%f'; rm '%f' ) )
b)
Mandefa tahadika, tsy miandry fa mandefa tatitra amin'ny mpandefa...
Ted.faxCommand: ( ( fax send '%n' '%f' 2>&1; rm '%f' 2>&1 ) | mail -s 'Fax %t' mark@localhost ) >/dev/null 2>&1 &
Mikasika tahadika koa ny ovan-tontolo APP_FAX_TO. Mankanesa ao amin'ny tsinjara momba ny fanontana.
customPrintCommand:
Baiko hanontana amina mpanonta ampanjifaina. Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fanontana raha mila antsipirihany.
customPrinterName:
Ny anarana ampiasaina hanondroana ny baikon'ny mpanonta ampanjifaina eo amin'ny Dinika Manonta. Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fanontana raha mila antsipirihany.
defaultAnsicpg:
Ny mari-daharan'ny peji-maritomboka izay vinavinaina rehefa tsy miaty kirambo rtf 'ansicpg' ny rakitra. Ampiasaina koa io rehefa mamboatra rakitra vao. Amin'ny ankapobeny, tsy mety loatra ny manajadona an'ity vovo ity raha tsy mametraka endritsoratra. Vitsy dia vitsy ny peji-maritomboka tena zaka. Rehefa tianao hanohana ny peji-maritombokao aho dia mila ny fanampiana mavitrikao aho hanoltora rakitra ohatra sy hisedra ny fandrosoako.
 
*)
Miavaka ny filatron'Akora. Mety ho ilaina ny manajadona vovo Fandrefitany ho ana mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm. Omena etsy ambany ny anaran-pilatron'Akora.
#)
Mitaky angona tsimiankin-drafikanto ny totohan-drohindrafi-tahiry mifaobe amin'ny Debian Linux mba hipetraka ao amin'ny /usr/share. Ny fonosana Ted zarain'ny mpampiely Debina Linux dia mametraka ny tahiry ao amin'ny /usr/share/Ted/afm, /usr/share/Ted/ind sy /usr/share/Ted/info, raha asesy. Mety hiakoan'ny dingana tampony makefile Ted ny sanda mijotson'ireo lahatahiry ireo.
 
Manampy endritsoratra amina fametrahana Ted
 
Azo atao ny mampiasa endritsoratra ambonin'ny Times, Symbol, ary Courier avy amin'i Ted. I Ted dia afaka mampiasa endritsoratra manan-tahiry .afm ao anaty /usr/local/afm izay mety hahitana tandrify X11. Lazaiko etsy ambany ny fanitarana an'io fehezan'endritsoratra io ho angona Adobe base35 izay misy anatin'ny ankabeazan'ny mpanonta sy anaty GhostScript.
 
Ireto manaraka ireto no vinavinaiko:
Nampidininao ny tahiry AFM mifanaraka avy ao amin'ny lahatahiry /pub/adobe/type/win/all/afmfiles/base35 ao amin'ny ftp://ftp.adobe.com. Io ny tahiry rehetra ao amin'ny lahatahiry analana an'ireo Helvetica Condensed.
Nesorinao ireo tarehintsoratra mpitatitra maniditra eo amin'ny vodilaharan'ny tahiry something.afm, ary nesorinao avy tao amin'ny tahiry ny tarehintsoratra faran'ny Control-Z.
Ianao dia nahazo ny fehezan'endritsoratra parasora karazana 1 izay fandraisan'ny orinasa alemana URW++ anjara amin'ny GhostScript. E.G. tamin'ny fanatsoahanao azy avy amin'ny CD-ROM manaraka ny boky: Merz, Thomas, "Postscript & Acrobat/PDF", Springer-Verlag, Berlin &c, 1996, ISBN 3-540-60854-0.
 
Araho ireto manaraka ireto:
Adikao ao amin'ny /usr/local/afm ny tahiry afm. Na esorina ny tahiry napetrk'i Ted ao, na tsy apetrakao ny tahiry .afm ho an'ny endritsoratra efa manan-tahiry .afm avy amin'i Ted. Tadidio ny fanamarihana mikasika ny fiverenam-pitatitra sy ny tarehitsoratra control.z.
Apetraho anaty lahatahiry ny endritsoratra URW++. Raha vao napetrakao ny lahatahiry X11 Karazana1 dia ampifanaraho ny tahiry fonts.dir sy fonts.scale ao. Raha apetrakao anaty lahatahiry miasaraka dia ampio ny lahatahirin'ny lalan'endritsoratry mpandroso X11. E.G. amin'ny fanisihana andalana toa ny xset fp+ /home/gaai/mark/URW-Fonts/ ao amin'ny $(HOME)/.xinitrc. Omena etsy ambany ny andalana ho an'ny endritsoratra hafa hasisika ao amin'ny fonts.dir sy fonts.scale. Ny andalana voalohany ao amin'ny tahiry dia milaza ny isan'ny endritsoratra. Mba tsy hanahirana anao dia ampidirina ao anaty ohatra ny andalana sasany rehetra.
Mametraha soritsarisary ao amin'ny endritsoratra X11 izay ho ampiasaina eo amin'ny fidisana avy ao amin'ny anaran'endritsoratra mifaoben'ny mpanonta Parasora. Ao amin'ny ohatra omeko dia mampiasa ny endritsoratra URW++ izay napetraka tao amin'ny dingana eo aloha aho. Mba tsy hanahirana anao dia nampidirina daholo ny andalana rehetra. Marihina fa misolo ho anaran'endritsoratra parasora ny anaran-tahirin'endritsoratra, ary misolo ho kintana ny aotra rehetra. Nofafako ny andalana ho an'ny endritsoratra manara-dalana satria tsara endrika kokoa ny endritsoratra mahazatra noho ireo azo vaniana tetika. Rehefa mahitsy mazava ihany ny soritsarisary avy amin'ny anaran'endritsoratra ParaSora mankao amin'ny anarana X11 vao mivoana ity dingana ity. Torak'izany koa fitrandrahana manokana mifaobe izahana endritsoratra X11 miaraka amina ParaSora araky ny lazainao an'i Ted ao anaty ny tahiry.
 
Ireto manaraka ireto ny andalana izay asisika ao anatin'ny fonts.dir sy fonts.scale ho an'ny endritsora-tsamy hafa URW++ :
a010013l.pfb -urwpp-urw gothic l-book-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010015l.pfb -urwpp-urw gothic l-demi-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010033l.pfb -urwpp-urw gothic l-book-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010035l.pfb -urwpp-urw gothic l-demi-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018012l.pfb -urwpp-urw bookman l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018015l.pfb -urwpp-urw bookman l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018032l.pfb -urwpp-urw bookman l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018035l.pfb -urwpp-urw bookman l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059013l.pfb -urwpp-century schoolbook l-roman-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059016l.pfb -urwpp-century schoolbook l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059033l.pfb -urwpp-century schoolbook l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059036l.pfb -urwpp-century schoolbook l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
d050000l.pfb -urwpp-dingbats-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-adobe-fontspecific
n019003l.pfb -urwpp-nimbus sans l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019004l.pfb -urwpp-nimbus sans l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019023l.pfb -urwpp-nimbus sans l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019024l.pfb -urwpp-nimbus sans l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019043l.pfb -urwpp-nimbus sans l-regular-r-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019044l.pfb -urwpp-nimbus sans l-bold-r-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019063l.pfb -urwpp-nimbus sans l-regular-i-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019064l.pfb -urwpp-nimbus sans l-bold-i-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021003l.pfb -urwpp-nimbus roman no9 l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021004l.pfb -urwpp-nimbus roman no9 l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021023l.pfb -urwpp-nimbus roman no9 l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021024l.pfb -urwpp-nimbus roman no9 l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n022003l.pfb -urwpp-nimbus mono l-regular-r-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
n022004l.pfb -urwpp-nimbus mono l-bold-r-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
n022023l.pfb -urwpp-nimbus mono l-regular-i-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
n022024l.pfb -urwpp-nimbus mono l-bold-i-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
p052003l.pfb -urwpp-urw palladio l-roman-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
p052004l.pfb -urwpp-urw palladio l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
p052023l.pfb -urwpp-urw palladio l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
p052024l.pfb -urwpp-urw palladio l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
s050000l.pfb -urwpp-standard symbols l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-adobe-fontspecific
z003034l.pfb -urwpp-urw chancery l-medium-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
 
Omena ao amin'ireto andalana manaraka ireto ny famadihana avy ao amin'ny anaran'endritsoratra ParaSora amboniny mankao amin'ny anaran'endritsoratra x ao amin'ny /usr/local/afm/xfonts.dir is given:
AvantGarde-Book -urwpp-urw gothic l-book-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
AvantGarde-Demi -urwpp-urw gothic l-demi-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
AvantGarde-BookOblique -urwpp-urw gothic l-book-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
AvantGarde-DemiOblique -urwpp-urw gothic l-demi-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-Light -urwpp-urw bookman l-regular-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-Demi -urwpp-urw bookman l-bold-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-LightItalic -urwpp-urw bookman l-regular-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-DemiItalic -urwpp-urw bookman l-bold-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-Roman -urwpp-century schoolbook l-roman-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-Bold -urwpp-century schoolbook l-bold-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-Italic -urwpp-century schoolbook l-regular-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-BoldItalic -urwpp-century schoolbook l-bold-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
ZapfDingbats -urwpp-dingbats-regular-r-normal--*-*-*-*-p-*-adobe-fontspecific
Helvetica-Narrow -urwpp-nimbus sans l-regular-r-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Helvetica-Narrow-Bold -urwpp-nimbus sans l-bold-r-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Helvetica-Narrow-Oblique -urwpp-nimbus sans l-regular-i-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Helvetica-Narrow-BoldOblique -urwpp-nimbus sans l-bold-i-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-Roman -urwpp-urw palladio l-roman-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-Bold -urwpp-urw palladio l-bold-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-Italic -urwpp-urw palladio l-regular-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-BoldItalic -urwpp-urw palladio l-bold-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
ZapfChancery-MediumItalic -urwpp-urw chancery l-medium-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
 
Mampiakatra endritsoratra amina mpanonta ParaSora
 
Rehefa nampitatra ny fehezan'endritsoratra azonao ampiasaina amin'ny solosainao ianao dia mety ho te-hanonta rakitra mampiasa endritsoratra fanampiny koa. Tena mora mihitsy ny mampiakatra fehezan'endritsoratra ao amin'ny mpanontanao. Omeo ity baikon'akora manaraka ity ao amina lahatahiry izay miaty ny endritsoratra tianao ampiakarina ao amin'ny rafitra something.pfa na something.pfb:
 
 
(
echo serverdict begin 0 exitserver
cat *.pfa *.pfb
) | lpr
 
Mahazaka ny ny endritsoratra avy ao amin'ny tahirin'endritsoratrao ny mpanonta mandra-pamonoana azy.
 
 
Mampiasa mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm
 
Novolavolaina hampiasa Soradasitra i Ted. Natao tamin'ny `Motif Window Manager' ny ankabeazan'ny fisedrana. Azafady mariho ireto manaraka ireto rehefa mampiasa mpandrindra hoaka hafa ianao:
Manao zavatra mahery setra toy ny famonoana fampiharana X11 ny mpandrindra hoaka toy ny fwm. Tsy voaaro amin'ny fanefitry ny herisetram-batana i Ted.
Mety hitondra sorisory ny mpandrindra hoaka izay mitaky anao hametraka hoaka amin'ny fomba mifanerasera. Mety ho ilaina ny manome vovom-Pandrefitany izay manome toera-midoko sy habe midoko ho an'ny hoaka. Mihatra amin'ny hoaka rehetra ny fanoritana ny Ted*Geometry. Ampiasao ny anarana omena etsy ambany hanomezana ny Fandrefitany ho an'ny hoaka samy hafa.
 
Mahazaka mpandrindra fotoan'asa toa ny an'i KDE na CDE i Ted na dia misy fetra ihany aza. Rehefa miteny amin'i Ted hampirina ny toetrany sy mamela an'i Ted hifanerasera amin'ny mpampiasa ny mpandrindra fotoan'asa dia anontanian'i Ted ny mpampiasa raha te-hitahiry ny asany rehefa te-hiala amin'ny fampiharana iny indrindra izy, dia misintona i Ted. Rehefa voarara ny fifaneraserana dia tahirizin'i Ted ao amin'ny lahatahiry $HOME/.Ted ny rakitra tsy voatahiry, dia ilazany ny mpandrindra fotoan'asa hampanomboka indray ny fotoan'asa amin-tsafidin'andalam-baiko voatokana mba hanesefana indray ny rakitra tsy voatahiry.
 
Anaran'akora filatro
 
Mety mila mampijadona vovo Fandrefitany ho an'ny filatro'Akora ny mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm. Ireto ambany ireto ny anaran'akora.
 
Hoaka fampiharana
Ted
Hoakan-Drakitra
TedDocument
Fitaovam-Pizaha
TedFindTool
Fitaovan-Tsipelina
TedSpellTool
Fitaovan'Endritsoratra
TedFontTool
Fitaovana Manisi-Sariohatra SymbolPicker
Dinika Rohibe
TedHyperlink *)
Dinika Tsoratadidy
TedBookmark *)
Dinika Manonta
TedPrintDialog *)
Dinika Taratasy
TedMailDialog *)
Dinika Toetra Mampiavaka
TedPropertyDialog *)
Dinika Hafatra
TedMessageDialog *)
 
Noho izany, ny fampidirana ny andalana 'TedDocument*geometry: 600x800' anaty $HOME/.Xdefaults na $HOME/Ted dia mametra ny habe niaingan'ny hoakan-drafitra hanana saka 600 pikisela sy haavo 800 pikisela.
 
*) Tsy ilaina ny vovo Fandrefitany amin'ny ankapobeny.
 
Fanamarihana momba ny fampiendrehana mpikarakara X11, sy ny endritsoratra mitendro, ary ny fanendry hebaivoho.
 
Mahazaka fanendry mamboatra ny famahanana ao an-toerana izay navangongo ao amin'ny tranomboky X11. Indraindray tsy voaendrika izy io; indraindray voatery manandrana fanendry maro ianao izay vao mahita azy. Amin'ny endri-tseho Xfree386 talohaloha, ny mamboatra (Multi_key) dia ilay mianara-petaka ScrollLock amin'ny hela-panendry amerikana. Tsy voaendrika foana izy io amin'ny endri-tseho vaovao. Afaka mampiendrika fanendry mamboatra ianao amin'ny fanisihana andalana toa ny xmodmap -e 'keycode 78 = Multi_key' ao amin'ny tahirinao manokana .xinitrc file.
 
Tsy misy fanendry BackSpace voaendrika ao amin'ny X11. Ny fanendry hebaivoho rehetra dia voaendrika ho fanendry Mamafa. Raha toa ka mamafa ny tarehintsoratra eo aorian'ny Tsatoka-| ny fanindriana fanendry hebaivoho dia mampiendreha fanendry hebaivoho. Azo atao amin'ny baiko xmodmap -e 'keycode 22 = BackSpace' ao amin'ny Xfree386 io.
 
Mihatra amin'ny endri-tseho X11 sasany ny fanamarihana tahaka an'ireo.
 
Mampivangongo an'i Ted avy amina loharano
 
Alaovy ny mari-tomboky loharano avy ao amin'ny tananam-pampidinana ftp://ftp.nluug.nl/pub/editors/Ted raha hanangona sy hampitohy an'i Ted. Vahao ny jarirakitra dia araho ny torolalana etsy ambany. Raha mampiasa endri-tseho Unix hafa noho ny Linux ianao dia ataovy an-tsaina fa ny fanamboaram-ponosana zaraina dia mampiasa ny fifatrarana gzip sy drafi-pehezanteny miseho toa root:root. Na dia mihodina amin-tandrafitra X Windows rehetra aza ny azo tanterahina mirohy midokon'i Ted dia mila tontolo manorin-tsarilasitra raha hanangona sy hampitohy an'i Ted. Raha tsy manana ianao dia afa-mampiasa ny LessTif izay fampiharan-tsarilasitra bojo. Efa nosedraina tamin'ny LessTif i Ted, ary mety tsara ny filaroan'izy ireo na dia misy mampiavaka azy vitsy aza. Azo alaina avy ao amin'ny http://www.lesstif.org ny LessTif. Azona ampiasaina ny Open Motif zarain'ny vory mivoha hampifanoloana amin'io. Mankanesa ao amin'ny to http://www.opengroup.org/openmotif. Azo angonina amin'ny vatam-pitaovana GTK+ 1.2.8 i Ted. Tsy feno ny endritseho GTK ary tokony ho raisina toy ny dingana mankamin'ny lalana marina fa tsy toy ny rindranasa efa vita.
 
Mety hila ny iray na mihoatra amin'ny tranombokin-kisarisary mivelatra izay ampiasain'i Ted ianao ankoatra ny tontolo fanamboaran-tsarilasitra:
Libtiff an'i Sam Leffler. Ampidino io raha tsy anananao.
Libjpeg ana tarika mahaleotena JPEG. Ampidino io raha tsy anananao. Version 6 no takiana hampidinana azy. Raha mitaraina mombana sariohatra tsy voafaritra toy ny jpeg_std_error ny lapy mpandrohy dia endritseho 5 izany no ampiasainao.
Libpng an'ny tarika PNG. Ampidino io raha tsy anananao. Mila ny “zlib” an-dry Jean-loup Gailly sy Mark Adler koa ianao. Ampidino io raha tsy anananao.
LibXpm an'i Arnaud Le Hors ao amin'ny Groupe Bull. Ampidino io raha tsy anananao.
 
Te-haneho ny fankasitrahako ho an'ny mpanoratra ny rindranasan-tranomboky bojo rehetra ampiasaiko ho an'i Ted aho. Raha tsy teo izy ireo dia tsy ho azo natao ny soritrasa toa an'i Ted. Miantefa amin'ny mpanoratra an'ny LessTif ny fisaorana amboniny iray mihodidina, izay namorona ny solon-tsafidy azo iriranana sy tsara kalitao OSF Motif.
 
 
Miteraka lahatahiry Ted-<version> ny famahana ny jariraki-doharano. Mahazaka tranomboki-kisarisary sasany izay tsy napetraka mialoha ao anaty tandrafitra ny totoha-panavangongoana.
Vinavinaina fa efa voapetraka ao amin'ny lahatahiry izy ireo, fa misy rohy avy amin'anarana tambabe mankamina endritseho miankina, fa nahomby ny fanavangongoana ny tranomboky. Atao amin'ny baiko make ao amin'ny lahatahiry Ted-<version> fotsiny ny fanavangongoana ny azo tanterahina. Tsy ilaina ny miantso ny configure satria atao amin'ny make io. Azonao atao ny manova safidim-panavangongoana sasany amin'ny fandrariana ny dingana tampony makefile. Mankanesa ao amin'ny fanamarihana eo ambony amin'ny tahiry. Misy azo tanterahina Ted ao amin'ny lahatahiry Ted rehefa mahomby ny make. Antsoy ny make package raha hanao fonosam-pametrahana. Tsy maintsy atao amin'ny maha-faka io. Efa vonona izao ny fonosam-pametrahana TedPackage/Ted_<platform>.tar.gz is now ready. Antsoy ny make install raha hametraka azy ao anaty milinao. Tsy maintsy amin'ny maha-faka no anaovana ny fametrahana. Ireo izay tsy afaka mandia ny dingana farany amin'ny maha-faka dia afaka miantso make private raha te-hanao fametrahana manokana. Hanoso-kevitra amin'ny fanovana ilaina amin'ny .Xdefaults na .Xresources ny antso make private mba hihodina avy amina fametrahana manokana. Ny azo atao farany dia ny mandika ny azo tanterhina Ted amina toerana mety amin'izany, sy mamaha ny tahiry mifandraika avy amin'ny jarirakitra TedPackage/TedBindist.tar. Mankanesa ao amin'ny tsinjara momba ny fametrahana sy fampiendrehana raha mila antsipirihany.
 
Tsy misy sarilasitra sy tahirim-boky X midoko azo alaina amin'ny lapihazo sasany, indrindra ny Sun-Solaris.
 
Ho an'ireo lapihazo ireo, sy ho an'ireo mafana fo amin'ny tranomboky iombonana, ny solon-tsafidy make dia mitily ny compile.shared, package.shared, ary install.shared izay azo alaina.
 
Manao rakibolan-tsipelina ho an'i Ted
 
Misy oha-drindranasa roa ahafahana manorina rakibolan-tsipelina ho an'i Ted ao amin'ny tanana an-tranokalan'i Ted na ao amin'ny lahatahirin-doharanon'ny kapila mifatratra. Tsy tokony ho sarotra loatra ny manorina tahiry Language.ind raha jerena amin'ireo ohatra ireo. Rehefa mametraka an'io tahiry io anaty lahatahirin-drakibolana manokana ianao, na ao amin'ny tandrafitra manontolo, dia mipoitra eo amin'ny fitaovan-tsipelina ny `Language', ary azonao atao ny manamarin-tsipelina amin'io teny io. Jereo ao amin'ny ny tsinjara momba ny vovo azo ampiendrehana ny toerana azo ametrahana ny tahiry Language.ind.
 
 
Ireto no ilaina raha hampiasa an'ireo ohatra ireo:
Ny mari-tomboky ny ohatra.
Ao amin'ny ohatra dia ampiasaina ny felanasa ispell amin'ny fanaovana fanamarinana avy ao amin'ny tahirin-tsiry sy rakibolana. Hita ao amin'ny ftp.cs.ucla.edu io
Ampiasaina ao amin'ny ohatra ny felanasa frantsay “épelle” amin'ny fanaovana fanamarinana avy amina tandaha-teny mitokatokana. Azo alaina avy ao amin'ny ftp://ftp.inria.fr ny felanasan-tsipelina frantsay.
 
Mankanesa ao amin'ny tanana ispell raha mila tandaha-drakibolan-tsipelina sy ny matoam-pelanasa ispell.
 
Fankasitrahana
 
Ny rakibolan-tsipelina dia notsoahina avy amin'ny takibolana ispell ankoatry felanasa frantsay sy holandezy. Ny rakibolana sy ny tahirin-tsiry ihany no ampiasaiko. Amina mpisaina mivoitena voafetra no mifototra ny mpanamariko fa tsy amim-poti-javatra. I Geoff Kuenning no mpanoratra ny matoan-drindranasa ispell sy loharanon-kevitry ny tahirin-tsiry. Azo alaina avy ao amin'ny GNU sy ftp.cs.ucla.edu (131.179.128.34) ny ispell. Ny rakibolana amerikana sy britanika dia nirantsana avy amin'ny felanasa ispell. Tsotra tokoa i Geoff Kuenning ka navelany hampiasa ny rakibolana ispell aho.
 
 
An'i Björn Jacke ny felanasa alemana ispell ary azo alaina avy ao amin'ny http://www.suse.de/~bjacke/igerman98. Fampifanarahana ny fiasan'i Heinz Knutzen amin'ny fitsipi-panoratana alemana vaovao io. Ny felan'asan'i Heinz Knutzen dia azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.informatik.uni-kiel.de/pub/kiel/dicts/hk-deutsch.tar.gz. Tsotra tokoa i Heinz Knutzen ka navelany hampiasaiko ny takibolany ispell.
An'i Santiago Rodríguez sy Jesús Carretero ao amin'ny Universidad Politecnica de Madrid ny ispell esipaniola ary azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.fi.upm.es/pub/unix/espa~nol.tar.gz.
An'i Ulisses Pinto sy José João Almeida ao amin'ny Universidade do Minho ny ispell portigizy ary azo alaina ao amin'ny ftp://http://www.di.uminho.pt/~jj/pln/UMportugues.tgz. Tsotra i José João Almeida ka namela ahy hampiasa ny rakibolana ispell.
Avy amin'i Paul Zimmermann ao Inria Lorraine ny felanasa frantsay ary azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.inria.fr. Tsotra i Paul Zimmermann ka navelany hampiasa ny takibolany aho amin'ny dika bojon'i Ted.
Nipoitra avy amin'ny felanasan'i Jan van Bakel, Dick Grune sy Patrick Groeneveld ny felanasan-tsipelina holandezy. Nampiako teny maro sy nampifanarahiko tamin'ny fitsipi-panoratana vaovao ny felanasa. Azo alaina ao amin'ny ftp://donau.et.tudelft/pub/words/groen ny matoan-pelanasa.
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Marco Roveri izay azo alaina ao amin'ny lahatahiry ftp://ftp.mrg.dist.unige.it /pub/mrg-usr/marco/ispell.ny felanasan-tsipelina italiana.
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Petr Kolar izay azo alaina avy amin'ny lahatahiry ftp://ftp.vslib.cz/pub/unix/ispell ny felanasan-tsipelina tseky
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Göran Andersson sy ny Skåne/Sjælland Linux User Group izay azo alaina avy amin'ny http://www.sslug.dk/ispell/idanish/danish.html ny felanasan-tsipelina danisy.
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Göran Andersson sy ny Skåne/Sjælland Linux User Group izay azo alaina avy amin'ny http://www.sslug.dk/ispell/iswedish/swedish.html ny felanasan-tsipleina soedisy.
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Rune Kleveland izay azo alaina avy amin'ny http://www.uio.no/~runekl/dictionary.html ny felanasan-tsipelina noriveziana.
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Piotr Gackiewicz sy ny namany izay azo alaina avy amin'ny ftp://ftp.ds14.agh.edu.pl/pub/ispell/ ny felanasan-tsipleina polonezy.
Mifototra amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Pavel Chalmovianský izay azo alaina avy amin'ny http://www.uniba.sk/~chalmo ny felanasan-tsipelina slovakiana.
Atao amin'ny endritseho namboarina avy tamin'ny tranomboky regex-n'i Henry Spencer, ao amin'ny University of Toronto ny fitadiavana fiteny manara-pitsipika. Mikasika ny fandrindranasa C ny ankamaroan'ny fanamboarana natao fa tsy mikasika ny fahafaha-miasa. Nampiako fizarana ny fitadiavana mitamberina (Zahao EoAloha). Azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.cs.toronto.edu/pub/regex.shar.Z ny matoan-doharano.
Mifototra amin'ny mari-tomboky ny namako sy mpiara-miasa amiko Rob Vonk ny fahafaha-mandefa taratasy avy amin'i Ted.
Nadikan'i Jean Peyratout ho amin'ny teny frantsay ny tahirim-bovo. Nataon'i Odile Bénassy ao amin'ny soritrasa TINY Linux ny dikateny voalohany.
I Peter Ivanyi no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny slovaky.
I Kenneth Bernholm no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny danisy.
I Kristof Petr dia sady nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny tseky no nandray anjara betsaka amin'ny fampahazakana alifabeta Laina 2 an'i Ted.
I Eric Lecluse sy i Hans Harder no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny holandezy.
I Axel Schwarzer no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny alemana.
I Peter Feher no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny hongoriana.
 
Mari-tombo-doharano mivelatra no nampiasaina tamina karazan-tahirin-tsary sasany:
Tanterahina miaraka amin'ny libtiff-n'i Sam Leffler's libtiff izay azo alaina ao amin'ny ftp.uu.net/graphics/tiff ny fahazakan-tsary TIFF.
Tanterahina miaraka amin'ny libpng-n'ny tarika PNG ny fahazakan-tsary PNG. Azo alaina ao amin'ny ftp.uu.net in the directory /graphics/png. Ny libpng indray dia mampiasa ny zlib-n'i Jean-loup Gailly sy Mark Adler amin'ny famatrarana angona. Ny tanana ara-panjakanan'ny zlib ftp dia ftp://ftp.uu.net/pub/archiving/zip/zlib/.
Efaina miaraka amin'ny libjpeg-n'ny Independent JPEG groups ny fahazakan-tsary JPEG ary azo alaina ao amin'ny ftp.uu.net in the directory graphics/jpeg.
Mampiasa ny libXpm nataon'i Arnaud Le Hors ao amin'ny Groupe Bull ny fahazakan-tsary XPM pictures uses. Ny loharano dia azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.x.org/contrib.
Nindramina avy amin'ny libgif nataon'i Gershon Elber sy Eric S. Raymond ny fahazakan-tsary GIF. Raha mila fanampim-panazavana dia mankanesa ao amin'ny pejin-tranon'ny giflib: http://prtr-13.ucsc.edu/~badger/software/giflib.shtml.
 
Eo amin'ny zoro ambany havian'ny sila-kazo nataon'i Albrecht Dürer taona 1510 ny sarin-jazalahy mpianatra manoratra ao amin'ny hoakam-pampiharana. Maneho mpampianatra mampianatra ankizy izy io. Ity ny filamatrany: Wer recht bescheyden wol werden, Der pit got trum bye auff erden.
 
Mpanoratra
 
Mark de Does
http://www.mdedoes.com
<IMG>
Avrily 15, 2001
Mety ho misy fampahalalana fanampiny na vao haingana azo alaina avy ao amin'ny tananan-tranokalan'i Ted http://www.nllgg.nl/Ted. Ao amin'ny ftp://ftp.nluug.nl/pub/editors/Ted ny endritseho farany indrindra sy ny matoa-maritomboka.
 
 
===========
 
Voambolana:
 
RTF: RevaTsoratraFirafitra
 
HTML: HaiTenyMisongaLafatra
 
AFM: Adobe Firafi-Metatra
 
HTML (Hyper Text Markup Language) = HTML (Haavon-TenyMarikaLafatra)
 
PDF (portable document format): Firafi-Draki-Panday
 
RPM (RedHat Package Manager) : RedHat Mpandamim-Ponosana
 
PostScript = ParaSora (“f” afa-mifanolo toerana amin'ny 'p'; ohatra: Parany (anaran'olona = farany); ny `sora' dia `soratra' amin'ny fitenim-paritra sasany); ny `script' dia `sora-tanana' no dikany voalohany; ny `post' dia `afara')
 
 
break = fira
 
carbon copy = iraidika
facsimile = tahadika
 
character = maritsoratra
font = endritsoratra
 
clip board = hela-tsilaka
choice = fantina
code = mari-tomboka
coding = famarihan-tomboka
 
configure = mampiendrika
configuration = fampiendrehana
facsimile = tahadika
facsimile telegraph = mpanahadika
 
find = mizaha
hela-panendry = keyboard
heuristics = fitrandrahana manokana
 
motif = sarilasitra
 
particular = miavaka
private = manokana
customize = ampanjifaina
 
 
provider = mpiahy
server = mpikarakara
host = mpandroso
 
resource = vovo, vovon-kevitra
source = loharano
archive = jarirakitra
 
scaled = tetehina mivany
 
select = mampivohitra
selecTed = navohitra
selection = mivohitra
option = safidy
choose = mifantina
alternative = fandiasina
 
server =
to set = manajadona
set = fehezana
 
shell = akora
 
strip = tsoripika